« Génération 2000 », andiany fahatelo: Hiverina an-tsehatra koa ry Imagine, Eric Tahiana…

Hanjaka ny fahatsiarovana any ambadiky ny 20 taona lasa. Maromaro ireo mpanakanto nanana hira nanamarika ny taona 2000 no hiverina indray.

«Ho feno fihetseham-po satria hihaona indray amin’ireo mpankafy anay taloha sy hatramin’izao », hoy i Fanja. Mandrafitra ny tarika Imagine miaraka amin’i Mamie izy, izay nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000. Anisan’ireo tarika nosafidian’ny SR Event manokana, hanafana ny « Génération 2000 », andiany fahatelo ny tarika Imagine. Seho hotontosaina ny alahady 27 jolay izao io, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nisy ny fampahafantarana ireo handray anjara rehetra, omaly, etsy Mahamasina. Iray amin’ireo mpanakanto efa ela tsy tazana ihany koa i Eric Tahiana. « Efa ela aho no nimpirina tany fa nosokirin’ny mpikarakara indray hiverina an-tsehatra. Nanontaniana ny ekipa ka samy vonona hihaona indray amin’ireo mpankafy izahay », hoy izy.
Hanampy an’i Eric Tahiana sy ny Imagine i Spy D, Mirado, tarika Zay, Tempo Gaigy ary Joy K. Ireto telo farany ireto, samy hiditra amin’ny fandraisana anjara fanindroany amin’ity. Raha toa ka ireo ihany no nivoaka tamin’ny afisy voalohany, nampahanfatarina oma­ly koa ny fandraisana anjaran’i Mario. Hafakely kosa, satria « live streaming » no hatao, izany hoe, ampitain-davitra ny anjara fampiesehoany, alefa mivantana amina « écran géant ».
« Hanana eo amin’ny 30 hatramin’ny 40 mn eo avy ireo mpanakanto ireo. Tsy misy hira vaovao mihitsy, fa ireo nanamarika izany vanim-potoana izany ihany no haverina ao. Nisy ekipa nikaroka ireo hira nanamarika ny taona 2000, ka avy tamin’ireny no niantsoana ireo mpanakanto handray anjara. Nisy ireo naniry saingy tsy afaka amin’ity, fa amin’ny andiany manaraka », hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, tomponandraikitra voalohan’ny SR Event, mpikarakara. Nana­mafy izany i Faniry Tempo Gaigy. « Efa fotoana ifanomezana izy ity, satria fanindroany izao ny anay. Hitondra zava-baovao eo amin’ny fiakarana an-tsehatra izahay, saingy ireo hira taloha notsongaina manokana hisy fahatsiarovana ho an’ny mpankafy no halahatra ao » hoy izy.

« Ary i Mirado ve efa G 2000? ».

Eny, satria vao 14 taona izy dia efa namoaka ireny hirany nalaza voalohany, toa ny « Tiako ianao » sy ny « Soa fa teo ianao » ireny, izay nanamarika tantaram-pitiavana maro tany amin’ny 20 taona lasa koa…

Zo ny Aina

Partager sur: