Ny sabotsy 12 jolay teo no nanakatona kely ny hetsika ho an’ny Sehatra Bagasy. Antony, noho ny fakan-drivotra sy fotoam-pialantsasatra eo
amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mandritra ny volana aogositra no hisy io fiatoana kely io. Na izany aza, misy hatrany ny famerenan-kira ho fanomanana ilay fandraisam-peo (rakikira) isaky ny alakamisy manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Studio Nada eny Tsiadana. Fantatra fa anisan’ ny vina lehibe ho an’ny Se-hatra Bagasy ny iainan’ny Malagasy ny kolontsaina sy ny hira ba gasy. Amin’ny alalan’ ny famelomana ny gadona sy ny hira no hanatanterahina izany.
Fomba fiasa ny fampanjakana ny fifanakalozana na ny fifampizarana eo amin’ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatanterahina velakevitra sy fihaonana samihafa. Fotoana ahafahan’ny tanora sy ireo efa manana traikefa mitafa, miresaka, mifampizara fahaiza-mitendry, mihira, sns. Raha ny hita, manomboka mahasarika tanora ny bagasy na eo aza ilay tsy mbola fahampian’ny fampahafantarana. Matetika, ilay fahasamihafana eo amin’ny sokajin-taona no mibahana sy tonga mialoha ao an-tsain’ny tanora raha vao miresaka momba ity karazan-kira sy gadona iray ity.
Miezaka manarina izany ny Sehatra Bagasy. Izay ny mahatonga azy ireo hiantso ny tanora hatrany mba hisian’ ny fisokafana bebe kokoa eo amin’ny tsirairay (Sehatra bagasy, tanora, bagasy…).
HaRy Razafindrakoto




