« Follow 2025 » : Hitondra fiderana sy fiankohofana ny Jesus Union

Ny fitiavan’Andriamanitra. Io no lohahevitra nosafidian’ny Jesus Union, hanompanana ny « Follow 2025 ». Hotontosaina ny 26 jolay izao ny hetsika, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Arena Ivandry. « Hira fiderana ho fanandratana an’An­dria­ma­nitra, izay sady arahina dihy no ho ao. Eo koa ny fiankohofana, izay fotoana hikasihan’­ Andriamanitra ny tsirairay », hoy ny fanazavana nomen’i Hoby, mpikambana ao amin’ny Jesus Union, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika.
Ankoatra ny fotoam-piderana sy ny fiankohofana, hisy ihany koa ny fijoroana vavolombelona sy ny fanandratana vavaka amin’io. Tanora no mitarika ary ny tanora ihany koa no tena kendrena ho avy hanatrika ny fotoana. « Efa manana ireo hirany manokana ny Jesus Union. Na izany aza, hanao hira malaza hafa ihany koa izahay amin’io. Tsy misy hoe tarika hafa nantsoina fa izahay ihany no haneho izay fiarahana», hoy hatrany ny fanazavana. Ao anatin’ny sehatra matihanina, mampiasa ny teknolojia raitra avokoa izany.
Fikambanana tanora kristianina ny Jesus Union. Tsy mifamatotra amina fiangonana, fa kosa tanora avy amina fiangonana kristianina maro no mivondrona ao. Tsy mitory fiangonana iray ihany koa, fa misokatra amin’ny olon-drehetra, na tsy kristianina aza. Fikambanana niforona teto Madagasikara ary Malagasy avokoa ireo mpikambana, izay miisa 30 eo ho eo amin’izao fotoana. Misy mpihira, mpitendry, mpandihy, mpitari-bavaka, sns, ireo tanora ireo. Mirona kokoa amin’ny teny frantsay, mba hivelarany bebe kokoa ny fikambanana. Aorian’­Anta­nanarivo, hitohy any Toamasina ny « Follow 2025 » ary mbola hisy faritra hafa handalovany aorian’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: