Hetsika fahatsiarovana: Feno fihetseham-po ny sehon-dry Rossy, Mily Clément, Da Hop

Fankalazana telo sosona, nomarihina tamina seho goavana iray. Samy nizara fihetseham-po ireo mpanakanto nosafidiana manokana, nanafana ny Coliseum. Fanamby tontosa iny ho an’ny Vision Madagascar.

Tamin’ny 6 ora, hanomboka ny seho, mbola vitsy ny mpijery… Voka­tr’ilay niova toerana ve? Satria tokoa mantsy, saika teny Anta­­ninarenina no nanaovana ity seho ho fahatsiarovana ity, saingy nafindra teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Soa fa vetivety dia nisinda ny ahiahy, rehefa niaka-tsehatra ry Da Hopp, nanokatra ilay fampisehoana goavana tetsy amin’ny Coliseum antsonjombe, ny alin’ny zoma teo. Tonga tsikelikely ireo mpijery, ary vetivety teo dia feno ny kianja. Ilay rap gasy misy fototra, ilay namerina tany amin’ny niandohan’ny tantarany teto Ma­da­gasikara mihitsy no nentin-dry Ben J sy ny tariny an-tsehatra. Namerina tany amin’ny 30 taona lasa, ho an’ireo tanora zokiny.
Mbola fihetseham-po hafa ihany koa rehefa niakatra na­nohy ny seho ny mpanjakan’ny salegy. Noporofoin’i Jaojo­by indray fa mbola ao anatin’ny tsenan’ny mozika tanteraka izy, ary be mpankafy ny sanganasany. Nihora-pifaliana ihany koa ireo nanembona ny tany ambadiky ny taona maro, nahita indray an’i Mily Clément an-tsehatra. Anisan’ireo nitondra rivo-baovao ho an’ny salegy izy, izay mitoetra ao am-pon’ny mpankafy hatramin’izao.

Tsy sakana
Nandrasan’ny maro ny fiakarana an-tsehatra nataon’i Rossy, na efa nandroso ho alina aza ny andro. Fihetse­ham-po fara-tampony, indrindra maro no nahalala hoe nodimandry ny rainy. Tsy na­taony ho sakana tamin’ny seho nomaniny izany. Efa no­voiziny hatramin’izay ny lalan-tsaina nentin’i Nelson Mande­la, izay notsiahivina tamin’ny afakomaly. Tsy nitsahatra ny tapôlaka raha tsy nisasaka ny alina, ary tao anatin’ny tontolo matihanina izany.
Nanamarihana zavatra telo ny hetsika natao tamin’ny zoma alina. Teo ny “Mandela Day”, izay mariky ny tolona ho an’ny fahafahana, ny firaisankina ary ny fandriampahalemana maneran-tany. Nentina nahatsiarovana ireo olona 36 nodimandry tamin’ilay lozam-piaramanidina DC-3, ny taona 1995, tany Maintirano koa. Anisan’ireo olona efatra sisa velona tamin’ny voina rahateo i Zouza Bouka, filoha tale je­neralin’ny Vima, izay tompon-kevitra tamin’ny seho. Ankoa­tra izay ny fankalazana ny faha-25 taonan’ity vondrona ity.

Zo ny Aina

Partager sur: