“Mega Live Yas”: Nanapoaka ny team Rwikordz

Maro ireo mpanakanto nalahatra, saingy nisongadina kokoa ireo taizan’i Davalt Rwikordz… Samy nahatsapa izany ireo mpijery tonga nanatrika ny “Mega Live Yas”, izay notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny alin’ny zoma teo. Avy hatrany dia i Parish no nanokatra ny fampisehoana, niaraka tamin’ireo hirany hain’ny mpijery rehetra. Na­naraka avy eo i Tanjona Randrianarivelo, iray amin’ireo tanora mpanakanto manana ny lazany sy mamiratra amin’izao fotoana. Niaraha-niredona ny “Iray vera sisa”, sns. Nandra­san’ny maro ihany koa i Maman’i Tsôlôlô, mbola anatin’ny Team Rwikordz ihany, izay mitondra endri-tseho tsy fahita firy eto Antananarivo.
Tsy izy ireo irery anefa no ambasadaoron’ny Yas, izay nanafana ny seho goavana. Teo ihany koa ireo efa ela tamin’ ny laza, toa an-dry Stéphanie, Tence Mena, Lico Kininike, Dadi Love, Oladad ary Shyn sy Denise. Ireo taty aoriana kokoa toa an-dry Ceasar, Rijade, sns, izay samy nizara ny kantony avy. Na tsy dia feno tanteraka aza ny toerana, nifety kosa ireo izay tonga nanatrika.

Zo ny Aina

Partager sur: