Kely dia kely ny elanelan’isa teo amin’ireo mpifaninana. Hita ho sahirana ihany ireo mpitsara ilay fifaninanana “Tafan-gilita”, nandritra ny dingana faharoa na ny Prime 2, ny asabotsy maraina teo, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy. Nandalo tsirairay teo anoloan’i Mbola Talenta, Tojo Guitariste, Teddy ary i Jovin ireo mpifaninana 40, samy nanao izay feon-kira noheveriny handresena lahatra ireo mpitsara. Tao ny nisafidy hira vahiny, tao ireo nirona tamin’ny tendry gasy. Samy naneo ny talentany, hany ka nahararaka ivy ireo mpanotrona mihitsy ny talentan’ny sasany. Satria maromaro nefa ny masontsivana nanomezan’ny mpitsara isa, tsy maintsy misy ireo nihintsana ka 25 no voafantina hiatrika ny dingana fahatelo.
“Sambatra ianareo izao… Izahay niainga tamin’ny tsy nisy tamin’izany. Nitsiriritra ny fitendrin’i Nônô sy Dadah gitara izaho sy Raoul tamin’izany, ary ry zalahy rahateo no nanana gitara. Izy mirahalahy no nampianatra anay, ary nindrana gitara tany izahay tamin’izany fa tsy nanana. Farany nanamboatra gitara araka izay nahaizany azy teo, Raoul. Izany no nanombohan’ilay revy gilita, nihatsara teny ary nipetraka teo ireny hira ireny. Androany kosa, sambatra koa aho miaraka aminareo eto, mahita fa mbola be mpirevy ilay gilita ary tsy diso ny lalana nalehanay satria mbola arahinareo”, hoy i Dama Mahaleo, tonga nanotrona manokana ny Prime 2, ary nandrisika ireo mpifaninana. Tsy vitan’izay fa nandray anjara ihany koa izy, “nampitafa gilita”, izay nahafaly ny rehetra. Tazana tao anatin’ny mpanotrona ihany koa i Benny, avy amin’ny Lôlô sy ny tariny, izay liana amin’ny fifaninanana.
Ho mafimafy indray ny dingana manaraka miandry ireo mpifaninana satria hira natolotry ny mi’Ritsoka Production, mpikarakara, no nomena hosafidian’izy ireo amin’ity. Hisy 10 amin’ireo 25 ireo no tsy maintsy hijanona amin’io. 15 kosa ireo hanohy ny tantara…
Zo ny Aina




