La Teinturerie Ampasanimalo, nanan-karena zavakanto ny faran’ny herinandro. Vao nigadona ny zoma hariva teo, efa nafana ny toerana, nandritra ny fampisehoana notontosain’ny tarika Driwna. Notohizana tamin’ny fiverenan’i Môta Soa an-tsehatra izany ny sabotsy alina. Niova kely, satria fampisehoana dihy “Open Mind Battle” kosa ny alahady, niarahana tamin’ny Jack’ Dad. Tetsy an-kilany, nitohy hatrany ilay fampirantiana saripika, “Madagascar, pays d’émotion et de découverte », sanganasan’i Doorgesh Mungur, izay haharitra hatramin’ny 5 septambra.
Hatsaraina ny fitantanana ny “Geysers” any Ampefy. Anisan’ny harembako-pirenena ity toerana be mpitsidika any Itasy ity, izay tantanan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny Foibe Tahiry Lovako. Nisy ny fitsidihana tany an-toerana, nataon’ny talen’ny Lovako, ny talem-paritry ny Kolontsaina sy ny serasera ary ny talem-paritry Fizahantany sy ny asa tanana any Itasy, mba hanatsarana bebe kokoa ny fitantanana ny toerana. Tapaka fa hatomboka amin’ny fametrahana takelaby manondro ny harembakoka izany.
Voadika amin’ny teny malagasy ny “Le journal d’Anne Frank”. “Ny Diarin’i Anne Franck no natao lohateniny, izay nadikan’i Michèle Rakotoson sy Riambola Mitia. Nezahin’ny mpandika ny nitazona ny fototry ny tantara, izay miresaka ny tovovavy jiosy iray 14 taona, nitsoa-ponenana tany Pays-Bas nandritra ny Ady lehibe faharoa. Ity ny boky be mpandika indrindra maneran-tany, satria efa nivoaka amin’ny teny maherin’ny 70 izany. Tafiditra rahateo ho anisan’ny harembakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny Unesco ny “Diarin’i Anne Frank”, ka inoana fa ho maro ny Malagasy hamaky azy rehefa vita tanteraka ny boky.




