25 taona ny Avoko Production : Hamoaka sarimihetsika matihanina « Ainga Shot »

Hosokafana amin’ity taona ity ny faha-25 taona niorenan’ny trano mpamokatra sarimihetsika Avoko Production, eo ambany fitantanan’ny Grand Maître Rakotoarijaona Avoko.

Raha ny tokony ho izy, ny taona 2026 vao tena feno ny 25 taona, saingy hatomboka dieny izao ny fankalazana, araka ny namba­ran’ny filoha Tale jeneraly. Famokarana sarimihetsika matihanina mitondra ny lohateny “Ainga Shot” no hisantarana ny fankalazana, izay hi­voaka ny 30 jolay izao. Halefa mivantana eny amin’ny Ci­néma Ritz ity sarimihetsika ity amin’io fotoana io, raha toa ka hisitraka izany ihany koa ny any Antsirabe, Mahajanga, Toamasina ary Ambatondra­zaka. Sarimihetsika lava hampisehoan’ny Avoko Production ny fahaiza-manaony tanteraka ity “Ainga Shot” ity ka i Avoko sy i Kaliba no mpilalao fototra amin’izany. Nifofotra tante­raka izy ireo, ka mahatratra
1 miliara teo ny vola lany na­mokarana ny “Ainga Shot”. Ankoatra ny sarimihetsika vaovao, hisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitra­hana ireo mpilalao marobe nahavita be tao amin’ny Avoko Production, hanamarihana ny faha-25 taona nijoroana. Tsiahivina, manodidina ny 500 izao ny mpilalao efa nandalo sy nilalao teo anivon’ity trano mpamokatra sarimihetsika ity.
Raha hiverenana ny tan­tara, ny taona 1998 no nianatra sy niofana ny “cinématographie” tany Frantsa i Avoko. Ny frantsay mpanatontosa, i Richard Ford, no nampiofana azy tamin’izany. Ny Andrare­zina malagasy, Vahandanitra kosa no nanofana azy ho “met­teur en scène” ary ilay inje­niera Solofo no nampianatra azy nanoratra tantara. Ny Sarimihetsika “Ainga 1” no navoakan’i Avoko voalohany tamin’ny taona 2001, ary an­kehitriny, efa 35 ny sarimihe­t­sika lava novokariny. Miaraka miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena maro, toy ny PSI Madagascar, Sur’eau ary USAID ihany koa ny Avoko Production ary tsara ny manamarika fa ao anatin’ny von­drona ARES izay misy orinasa telo izy, ka ny Grand Maître Avoko no Filoha Tale jeneraly.

Nampahafantarina teny amin’ny Le Pavé Antaninare­nina, omaly, ny fanokafana ny fankalazana ny faha-25 tao­nan’ny Avoko Production.

Mi.Raz

Partager sur: