« America’s next top hit maker » 2025 : Tafakatra amin’ny manasa-dalana i Mikahely

50 000 isa ireo mpanakanto nifaninanana maneran-tany. Miditra amin’ny dingana ma­nasa-dalana amin’izao fotoana ilay fifaninanana « America’s Next Top Hit Maker 2025», any Etazonia. Anisan’ireo mpanakanto voafantina handray an­jara i Mikahely (Mika sy Davis), ary izy irery ihany no Mala­gasy ao. Tafavoaka ny dingana ampahefa-dalana izy ny faran’ ny herinandro teo, ka anatin’ ireo 28 tafakatra amin’ny ma­nasa-dalana. Efa mafimafy anefa vao tafavoaka, satria maro mpanohana ihany koa ireo mpifaninana.
« Manentana antsika Mala­gasy tsivakivolo mba hano­hana hatrany ary mankasitraka antsika jiaby tsy ankanavaka amin’ny fizarana, fanohanana, fitiavana, firaisankina, fiaraha-mientana, fanasongadinana ny kolontsaina sy ny ny zavakanto malagasy ary ny fihavanana amintsika tsirairay. En­taniko hatrany ianareo hifidy isan’andro, fa nihemotra ny laharantsika amin’izao satria faha-6 anatin’ny vondrona», hoy ny antso avo nataon’i Mika­hely.
Tsiahivina fa manokatra bebe kokoa ny lalan’ny mpanakanto amin’ny tsenan’ny mozika any Etazonia ny fisongadinana amin’ity fifaninanana ity. Antony iray nahamaro ny mpifaninana izany, ka azo lazaina fa efa sangany izay tafavoaka eo. 15 amin’ireo 128 ireo sisa no hiatrika ny famaranana, ka mafimafy ny miandry an’i Mikahely. Tombony lehibe kosa anefa ny fisian’ny fifidianana an-tambajotra, izay azon’ny Malagasy rehetra atao na aiza na aiza misy azy. Antony nanaovany ny antso avo ho an’ny firaisankina io, mba hampiakarana avo ny voninahitr’i Madagasikara. Ilay hira « Veloma ianao jaly », niarahan’i Mikahely nanatontosa tamin’i Dada Ravaloson no nentiny nifaninana ka nahavoafidy azy izao.

Zo ny Aina

Partager sur: