TARATRY ny KANTO

Hiray sehatra indray ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Manome fotoana ireo mpankafy ny « cabaret rock » izy ireo ny sabotsy 26 jolay izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny Nomban­tsoa, By-Pass. Fiarahana efa ela no nisy ny an’ny tarika roa tonta, izay efa samy zokiny ao amin’ny tontolon’ny rock rahateo. Mazava loatra fa tsy hihoatra amin’ireo hira nahafantarana azy hatrizay ry zalahy.
Manana ny maha izy azy ny Malagasy. Inona izy ireo? Teny, tany, fomba amam-panao, fady, fahala­lana… Saingy, iray amin’ny antony tsy mampisongadina azy ireny ny tsy fahalalana. Satria, tsy nampianarina tamin’ny fiteny malagasy ny zanaka. Tsy ho hainy ny tenin-drazany. Io fahalalana io no mila hatevenina haingana. Tsy any an-tsekoly ihany fa eny amin’ny fiarahamonina sy ao anivon’ny ankohonana. Ny mahavariana, toa ny zanaka indray no mampianatra ireo raiamandreny… Manara-davahana fotsiny iretsy nahitana masoandro, satria, andron’ny fandrosoana, hono, izao.
Hiverina ny « Kakakaka Kaiamba ». Avy hatrany dia seho indroa miantaona no hotontosaina, ny zoma 1 aogositra sy ny alahady 3 aogositra izao, eny amin’ny La City Ivandry. Toy ny efa nahafantarana azy, hame­lona ireo vazo kaiamba tamin’izany, amin’ny fanaovany azy ry Francis Turbo, Gothlieb ary i Erick sy Honorat. Eny an­­tsefantsefan’ny hira eny ny hatsikana efa mahazatra an-dry zalahy ireto.

Partager sur: