Raikitra… Hisy ny seho! Tonga any amin’ny Nosy Maorisy ny tarika Zook Davids. Hotanterahina ny alahady 27 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Saint-Jean, Port Louis, ilay fampisehoana lehibe hiarahana amin-dry zareo. Tahaka ny mahazatra, ho maimaimpoana, tsy hisy vidim-pidirana, ity seho ity.
« Na ankizy, na tanora na lehibe, tongava avokoa », hoy i Zook Davids. Anisan’ny fotoana hanehoan’ny tarika ny fananany traikefa eo amin’ny fifehezana sy fandrindrana ny hira evanjelika sy ny fanabeazana ity seho any amin’ny Nosy Maorisy ity. Hifanaraka amin’izany ny fomba fitafy sy ny fihetsika eny an-tsehatra.
Marihina fa iray amin’ireo tarika miangaly ny hira evanjelika, manatanteraka fampisehoana an-tsehatra maro eto an-tanindrazana, ry Zook Davids. Vao mainka nitombo izany tao anatin’ity fotoam-pialantsasatra lehibe ity. Na miompana kokoa any amin’ny fampitiavana sy fampahafantarana ny ankizy ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra aza ny tarika. Ananany ihany koa ny hira mampahatsiahy ny olon-dehibe fa manana adidy amin’ny fanabeazana izy ireo.
HaRy Razafindrakoto




