Nalana tamin’i Lovatsara K. indray ny loka “mpamorona mendrika indrindra”, nandritra ny hetsika “Tana Design Week”. Nisy ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara, omaly, fa dika mitovy tamin’ny sanganasana mpamoron-damaody vahiny, Mitchelle Amadi, no nentin’i Lovatsara K. nifaninanana sy naranty teny Andafiavaratra, ny 12 hatramin’ny 18 jolay teo. Faran’izay fady ho an’ny hetsika “Tana Design Week”, izay hetsika ho an’ny karazana famoronana izany, ka nahatonga izao fandraisana fepetra hentitra izao.
Misongadina hatrany ilay horonantsary “Débout”, notontosain’i Felana Rajaonarivelo. Voafidy ho anisan’ireo hifaninana mandritra ny “Power International Film Festival” izay hatao any Durban, Afrika Atsimo, indray mantsy ity horonantsary ity, anatin’ny sokajy “Best Female Director”. Nialoha izay, voafidy koa anatin’ny sokajy “Best Human Rights Documentary”, mandritra ny “Women Montréal Film Festival” ny “Débout”.
“Ny fahitako an’i Randja Zanamihoatra sy ny asa sorany”. Io ny lohahevitra hovelabelarin’i Diadema, anio amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Mpankafy ny asa soratr’ity andrarezin’ny literatiora malagasy ity izy ary nanao fikarohana momba izany ihany koa. Mitohy hatrany kosa ny fampirantiana ao amin’ity toerana ity, izay ahitana ny mombamomba an’i Randja Zanamihoatra sy ny asa sorany rehetra. Mbola hisy ihany koa ny velakevitra hafa, ny asabotsy izao.




