Toa ny tarika iray… Kanefa samy manana ny hanitra ho azy raha ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Efa tany amin’ny taona 90 tany no nisy ny fifandrasana akaiky teo amin’ireo mpikambana, ka mitohy mandraka ankehitriny izany. Porofon’ izany, maromaro ireo seho izay iarahan’ny Green sy Kiaka, na efa vita na ireo mbola ho avy. Akaiky indrindra amin’izany ny « Cabaret rock », izay hotontosaina ny sabotsy 26 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Nombantsoa, By-Pass.
Samy hanao ny hirany ny tarika roa tonta. Ho maro koa anefa ny fampiaraham-peo sy talenta efa mahazatra eo amin-dry Nino, Jacquot, Poun, sns, mandritra an’io. Misy ny hira mavesatra amin’ny maha samy mpanao rock ny tarika. Eo koa anefa ireo hira milamindamina kokoa izay nahitana fampiaraham-peo maro. Toa ireny fiarahana efa nitranga nandritra
ny « Blooky Festi-Rock », « Rage of Rock », « Malagasy Rock Star Live tour » tany Eoropa, « Tana in Rock », « Bonne année Rock », sns, ireny ihany no hiseho saingy hanatombo kokoa ilay firaisana tsikombakomba eo amin’ny samy mpanakanto. Ny Mega Art Production no handray an-tanana ny fikarakarana ity fiarahana ity.
Zo ny Aina




