« Revirevy mody masoandro » : Hampitambatra ny mpankafy rehetra

Hatao eny amin’ny tokotany malalaky ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny alahady 27 jolay ho avy izao, ny fampi­sehoana « Revy revy mody masoandro », karakarain’ny Louvto Company. Hetsika hiarahan’ny tarika Mahaleo, Mahaleo Taranaka, Lôlô sy ny Tariny ary Samoela. Andiany fahatelo ity fampisehoana
ity, nampisehoan’ny orinasa Airtel, fa mpiara-miombon’ antoka voalohany, efa teo ary ho eo foana izy ireo. Notsorin’i Dama, ao amin’ny Tarika Ma­haleo, fa « tsapanay fa tsara ireo andiany roa voalohany. Koa mitebiteby tokoa izahay izao, satria tsy maintsy ha­nome ny tsara kokoa hatrany amin’ity andiany fahatelo ity ». Nomarihin’i Samoela, fa “samy manana ny maha izy anay izahay ireo. Vao mainka anefa hia­vaka ny hetsika satria hisy ary maro ny hira itambaranay haseho amin’io fotoana io ». Nanamafy i Dama, fa « fotoana mampitambatra ny rehetra ny Revirevy mody masoandro, toy ny mpankafy gitara, ny Ma­lagasy tsy ankanavaka, satria mifototra amin’ny teny mala­gasy ny hiranay. Mitanisa ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina, sns ».
Mizara roa ny fidirana eny amin’ny vavahady, misokatra amin’ny 10 ora maraina, ho an’ny VIP, sy ny olon-tsotra. Misy fiara mpitatitra miainga eo Analakely mankeny Ivato, mandroso sy miverina, fa mila manao famandrihana mia­loha.

Njaka A.

Partager sur: