« Jazz@Tohatohabato »: Voatazona avokoa ireo seho goavana mandritra ny andiany faha-14

Hetsika fanao isan-taona ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny jazz. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tahaka izao no hanatontosana izany eto an-dRenivohitr’i Madagasikara…

Ny 6 aogositra ka hatramin’ny 10 aogositra no hanatanterahina, eo Analakely sy ny manodidina, ilay hetsika lehibe ho an’ny jazz. Tafiditra ao amin’ny andiany faha-14 ny « Jazz@­Tohatohabato ». Voatazona avokoa ireo fandaharam-potoana lehibe ao anatiny. Anisan’izany ny fanomezana sehatra sy lanja ny talentan’ireo ankizy na ny « Jazz kids ». Ao ihany koa ny seho « Jazz street » izay tanterahina eo amin’ny tohatohabaton’­ An­tani­narenina. Ny « Grande scène » na ilay seho amina sehatra goavana be eo amin’ny arabe manoloana ny tohatohabaton’Antaninarenina. Voatazona ihany koa ny fisiana vahiny mpanakanto nasaina manokana amin’ity andiany faha-14 ity. Haneho ny talentany i Martin Zenker, Jordi Roviro, Jessica Pham ary i Valentin Edelmann.
Hanokatra ny fandaharam-potoana, ao amin’ny Tranom­pokonolona Analakely, ny alarobia 6 aogositra, amin’ny 2 ora tolakandro, ny « Jazz kids ». Ny sabotsy 9 aogositra, amin’ny 6 ora hariva, kosa eo amin’ny tohatohabaton’­An­taninarenina. Sehatra natao hifanakalozan’ireo liana amin’ny tontolon’ny jazz. Ny 10 aogositra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny hanatanterahina ny « Grande scène ».
Tarika sy mpanakanto maro no handray anjara ho an’ity andiany faha-14 ity: Bakomanga Groupe, Soamiely, Jazz club CGM/GZ, Aponga Drumline, Mendrika Rasolomahatratra, Sandrine Rajaofetra, Jimi Harison, Full Vao Band, Dimy Nuée, Reko Band, Bandy Baraka Big Band. Miampy an-dry Mahefa Ramiandrisoa Quartet, Joro J Project, Kevin Mirija, Akama, Bak’Art, Stéphanie Bachra.
Marihina fa iray amin’ireo hetsika iraisam-pirenena lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny jazz, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny « Jazz@tohatohabato ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: