Raha vao miresaka ny Rn’B eto Madagasikara, tsy afa-misaraka amin’izany ny anaran’i Marion. 20 taona izay ary mbola ao anatin’ny tontolo izy na tsy teto an-tanindrazana elaela aza. Nanaiky nizarazara ny lalany sy niresadresaka ny fankalazana taminay i Marion.
Ramandaniarivo Andrianjaka Yves Marion ny anarany feno. Marion kosa no anarana nosafidiany, nentiny namakivaky ny tontolon’ny zavakanto. Taona 2003, nivoaka ny hira “Efa tia”, izay nandeha voalohany tamin’ny onjampeo koa. Tsy nanam-po i Marion tamin’izany, fa nanokatra ny lalany iny hira iny. Taona 2005, nivoaka ny hira “Alina mangina”, iray tamin’ireo 10 nandrafitra ny rakikira “Mbola ho avy”. Nipetraka nanomboka teo ilay lokona mozika nankafiziny avy eo novoizin’i Marion: ny Rn’B.
“Tena ny feeling-ko mihitsy no nitondrako azy tany am-boalohany. Mpankafy an-dry Boyz II Men, Bryan Mac Night, R Kelly, sns, aho. Tena hoe niondana e. Namoron-kira avy amin’izay feeling izay avy eo, ary tsy nihevitra hoe hitady vola tamin’izany. Tsaroako aza tamin’ny fiakarana an-tsehatra nataoko voalohany, nomen-dry zalahy vola aho dia gaga hoe hay moa misy an’izany?”, hoy i Marion, raha nanontaniana ny niatombohany.
20 taona ilay sehatra
voalohany
“Tao Tsiadana tao no niakarako sehatra voalohany, ny taona 2005. Tanatin’ny fampahafantarana ny rakikira tamin’izany, ary niray sehatra tamin’i Balita Marvin, izay efa nalaza”, hoy ny fitadidian’i Marion. Vanim-potoana lehibe ho azy io taona 2005 io, satria ankoatra ny sehatra voalohany, nanokatra ny fiaraha-miasany tamin’ny trano mpamokatra lehibe ihany koa. Tafiditra ho anisan’ireo mpanakanto novokarin’ny Do Sol mantsy i Marion. Tao izy no namoaka ilay rakikira “Ilay tia anao” ny taona 2006, izay anisan’ny nahalafosana maro indrindra.
Nitombo ny fiakarana an-tsehatra, niitatra ny endriny ary niha goavana hatrany izany. Tetsy andaniny, tao anatin’ny vanim-potoana nampalaza ny Rn’B maneran-tany koa, ka mora voarain’ny mpankafy ny Rn’B malagasy novoizin’i Marion.
Rakikira 18 be izao!
Tombony lehibe ho an’i Marion ny fiboiboikan’ny aingam-panahiny. Mampiavaka azy amin’ireo namany, indrindra ny fahamaroan’ny sanganasany, vokatr’izay. Efa manana hira manodidina ny 300 i Marion, ary efa namoaka rakikira 18! “Tsy nankalazaina firy intsony ny fivoahan’ny rakikira nanomboka teo amin’ny fahafito. Efa tsy nifantoka tany amin’ny fividianana rakikira intsony mantsy ny mpankafy, fa nirona kokoa tamin’ny fampisehoana, ka tany no nimasoana. Nisy anefa ireo rakikira izay niarahako tamin’ny namana, nisy hira fiderana fotsiny ary tao koa ireo mirakitra hira noforonina ho an’olona manokana, toa ireo nanorin-tokantrano, sns”, hoy ny fanazavan’i Marion.

Manao mozika ve i Marion any Etazonia?
Fanontaniana manitikitika ny mpankafy an’i Marion io. 3 taona tokoa mantsy izao no tsy teto an-tanindrazana i Marion, fa nifindra monina any Etazonia. “Sarotra amiko ny hanao mozika iraisam-pirenena, raha tsy hoe handray anjara amina festival ka hihira amin’ny teny malagasy angamba. Efa manao ireny ireo namana mivoy ny World music, fa izaho kosa nisafidy ny Rn’B malagasy, izay ho an’ny mpankafy eto Madagasikara”, hoy ny valinteniny.
Karazana fakana bahana, araka izany, ny telo taona tsy nahitana an-tsehatra an’i Marion teto Madagasikara. Roa andro izy izay no nigadona an-tanindrazana, ary avy hatrany dia niatrika ny famerenana amin’ireo seho hotanterahiny.
Fitetezam-paritra anatin’ny 3 volana
Nambaran’i Marion sy ny SR Event, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny tena vaovao lehibe: hisy ny fanamarihana ny 20 taona an-tsehatra amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra. Hanomboka amin’ilay fampisehoana “Génération 2000”, izay hotontosaina ny alahady izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina io. “Raha toa ka live streaming no nampanantenainay, tonga mivantana kosa i Marion izao ka isaorana azy. Mbola hisaoraonay azy indrindra koa ny nanekeny hiara-dalana amin’ny fitetezam-paritra. Ireo tanàn-dehibe aloha no tena enjehinay, fa afaka mifampiresaka kosa ireo mpikarakara amina toerana hafa”, hoy i Sylvano Ratsimandresy, avy amin’ny SR Production.
“Tonga ilay fotoana. 3 taona aho naka bahana hanomanana azy ity. Tsy nisy niova ny mozika, ary nanapa-kevitra aho ny tsy hamoaka ireo hira vaovao mihitsy aloha na dia maro aza izany, fa hamerina kely ireo taloha araka ny fangatahan’ny mpankafy. “Nitondra ny feon’ireo mpankafy amiko ireo namako hoe mila miverina ialahy fa miandry izy ireo, ka tonga aho hifantoka amin’izay fihaonana izay”, hoy hatrany ity mpanakanto kalaza amin’ny Rn’B ity.
Hisy mpitendry amin’izay!
Vaovao anisan’ny tena goavana nambaran’i Marion, omaly, ihany koa fa hisy mpitendry sy mpanao feo lafika hanaraka azy an-tsehatra amin’izay. “Hitako tokoa ireny resabe nifanjevoan’ny hevitra mahakasika ny hoe mpanakanto USB sy ny misy mpitendry ireny. Anisan’ny nanomboka ireny aho… Tsy hoe mahafaly ahy izany satria mety hoe nitondra tamin’ny lalana tsy mety, fa izao kosa mahatsapa hoe tsara koa raha mba mivoatra e. Ireo mpikarakara fampisehoana koa no tena nametraka izay, satria nanamaivana ny karama naloan’izy ireo ny hoe mpikosoka kapila iray fotsiny fa tsy mpitendry feno. Voataiza tamin’izay ny tsenan’ny mozika tamin’izany. Amin’izao kosa, efa mba mila apetraka amin’izay ny karama ho an’ny rehetra, ka hotendrena an-tsehatra avokoa ireo hira. Misy ihany ny karazana seho ilaina ilay hoe USB fotsiny, fa ny seho lehibe rehetra aloha dia hotendrena avokoa”, hoy i Marion nanamafy. Tsy mbola nivoaka ny daty rehetra, saingy efa azo antoka fa handray ny seho fankalazana i Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Toliara, sns, ary eto Antananarivo ny seho goavana famaranana.
Nangonin’i Zo ny Aina




