Haseho voalohany etsy amin’ny Havoria Anosy, ny 24 aogositra izao, ilay sarimihetsika “Tsontsorimamba”, iarahana amin’ny Vondrona dian’ny finoana – “VDFI Production-Art Movies”. “Maneho ny fiainana andavanandro sady tena nisy. Mampihomehy, manaitra nefa koa maneho ny finoana sy ny zanakolombelona”, hoy ny mpanoratra ny tantara, Rakemba. Maneho ny fanabeazana nefa koa fitodihana amin’Andriamanitra ny votoatin’ny tantara ary natao ho an’ny sokajin’olona rehetra, araka ny nambarany hatrany. Nanatontosa izany kosa, Dina Rajaonah. Tafiditra amin’ny hetsika fitoriana ny vaovao mahafaly maimaimpoana tanterahin’ny VDFI Production izany.
Raisina eny amin’ny toerana ahitana ny PhoResto rehetra, eny Ampasamadinika, Ivato, Bel’Air, Ankorondrano ary By-Pass ny karatra fidirana na maimaimpoana aza, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny VDFI, Vahatra…
Miisa 27 ireo mpilalao ao anatin’io sarimihetsika io ka miisa 14 ireo mpilalao fototra. “Ahitana ireo efa nisehatra amin’io tontolo io sy ireo vao misandratra izy ireo. Nanomboka ny oktobra ny nanoratana ny tantara ary nahodina tamin’ity taona ity tamin’ny toerana samihafa “, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa ao anatin’ny hetsika “Mandresy i Madagasikara” ity fampisehoana sarimihetsika ity. Eo koa ny VDFI mpihira ary izao indray ny VDFI Production manodina horonantsary, raki-tsary…
Synèse R.




