“Manala azy vita bacc”, etsy Antsahamanitra. Anio amin’ny 6 ora hariva ilay fotoana ifanomezana isan-taona. Efa tsy ho an’ireo avy nanala fanadinana intsony, fa ho an’ireo mpankafy ny Olombelo Ricky, tao anatin’izay 34 taona nisian’ny hetsika izay. Toy ny isan-taona, hamerina ireo vanim-potoana feno fahatsiarovana eo amin’ireo mpankafy, amin’ny alalan’ireo hira tsy lefy laza ny tarika. Ora maromaro no iarahana anio alina.
Micky sy Nate Tex, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fotoan-dehibe iray ihany koa ho an’ireo mpankafy azy mivady ity. Taorian’ny nanamafisan’izy ireo ny fifankatiavany vao tsy ela akory, hotohizany an-tsehatra izany, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Misy ireo hira samy nahafantarana na an’i Micky, na i Nate Tex. Hibahana kokoa anefa ireo iarahan’izy mivady, satria fifamenoana talenta ihany koa izany.
“Hosotra 2025”, hisy ny velakevitra anio. Manodidina ny asa maha mpanao hosodoko eto Madagasikara ny lohahevitra hovoaboasana etsy amin’ny Maison social des arts Ambatovinaky, anio manomboka amin’ny 3 ora. Hizara ny fijeriny mandritra izany i Tahina Rakotoarivony, i Yasmine Fidimalala ary i Solonambinintsoa Steven Evan, izay samy mpanakanto mpanao hosodoko avokoa. Handrindra ny velakevitra kosa i Aina Zo Raberanto, mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina.




