Manakara : Tafaraka ny samy Tanora Masina

« Tsy mbola nisy tao anatin’ny 34 taona nijoroanay… ». Sambany no hanatanteraka fampisehoana lehibe ao Mana­kara ny Tanora Masina Itaosy. Seho hotanterahina ny ala­hady 10 aogositra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny FLM Mangarivotra Manakara. Anisan’ny mampiavaka ity fampisehoana ity ny fiarahana sy fifankahitana eo amin’ny Tanora Masina Itaosy sy ny antoko mpihira Tanora Masina Ankaramalaza. Ho fanohanana azy ireo rahateo no antony hanatanterahina ity fampisehoana ity. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io seho io ny fandraisana anjaran’ny Tanora Masina Ankaramalaza. Marihina fa hana­trika sy handray anjara amin’ny Zaikaben’ny Firaisan’ny kristiana tanora loterana malagasy any Manakara ny Tanora Masina Itaosy.
Antoko mpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika. Manana lohahevitra sy gadon-kira maro ahafahana mampita hafatra ho an’izay maheno ny sanganasany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: