Mety mihena ny isan’ny avy nanala fanadinana. Mitombo kosa ny mpankafy ny « manala azy », sy ny vazon’ny Olombelo Ricky.
Fotoam-bita. Zary kolontsaina mihitsy ny « Manala azy vita bacc » an’ ny Olombelo Ricky. Tontosa halina ny andiany faha-34 tamin’ny hetsika, ary dia namaly hatrany ireo mpankafy. Marina fa mihavitsy ireo tena avy nanala ny fanadinam-panjakana, saingy ireo tonga kosa dia azo antoka fa nandova ny kanto tamin’ireo ray aman-dreniny, izay mbola manohy ny « Manala azy » ihany koa.
Tamin’ny 6 ora hariva ny fotoana, efa tonga nialoha izay ireo tena mpankafy tsy te ho diso na hira iray aza. Vao nanomboka ny doboka amponga voalohany amin’ilay mampiavaka ny Olombelo Ricky, niakatra avy hatrany ny hafanana. « Androany hariva » rahateo ny hira voalohany, toa nosafidiana hanoritra ny seho manontolo… Niara-niredona ireo hira taloha nandritra ny tapany voalohany. Ry « Amorom-parihy », « Ranabaviko masaka », « Teny masina », mandalo ny « Mandravasarotra », sns. Efa nasosok’i Ricky sy ny tariny tao ihany ireo hira taty aoriana sasantsasany, izay efa voarain’ireo mpankafy rahateo.
Mitohy ilay revy. Toy ny firafitry ny tarika teny an-tsehatra ihany ny kisary hamaritana ny « Manala azy ». Eo ireo zoky nitari-dalana ary mbola mampita ilay kolontsaina, toa an’i Mendrika eo amin’ny amponga maroanaka, Titi eo amin’ny zavamaneno tsofina ary i Rivokely eo amin’ny vatamaroafitsoka. Eo koa ireo zandry mahaleo mahalasana nandray ny fanilo toa an-dry Jahleky, Dina Voakaly, Njaka ary i Miaro Tanjona. Naheno ny feon’ito farany rahateo tanatin’ilay hira « Loharano » ny rehetra ka resy lahatra. Dia toy izay koa ny fandaharana ny hira nentina an-tsehatra, ahitana soritra izay fitohizana izay.
Mazava loatra anefa fa ireo hira nanamarika vanim-potoana, mirakitra tadidy tsy hay kosehina teo amin’ny tantaran’ireo efa « nanala azy » taloha no tena be mpiandry. Ry « Eo anilanao », « Ikalangita », « 1+1 », « Eo anilanao eo », « Taratra hazavana »,
« Mbola zaza », sns, izay tsy vitsy ihany koa no nanorin-tokantrano tamin’ireny hira ireny. Fehiny, mitohy ny tantaran’ny « Manala azy vita bacc », ary ny Olombelo Ricky sy ny mpankafy azy no tompony.
Zo ny Aina




