Mikaroka ny mpikaroka fa ny sehatra hanatanterahina ilay fikarohana no mety ho samihafa. Nanjary efa fahazarana ny manasokajy azy ireny. Na misy tsara sy mahasoa ary misongadina aza ny vokatry ny fikarohana hitan’ny tantsaha. Niainany sy nampiasainy aman-jato taona. Na, ireo vao hitany taty aoriana, toa tsy manan-danja izy ireny manoloana ny voka-pikarohana hita na navoakan’ireo sehatra « ambony ». Tahaka izany ihany koa ny voka-pikarohana hitan’ireo mpampiasa raokandro. Na efa ao anatin’ ny fahombiazana tanteraka aza, mbola mila hampandalovina sehatra « ambony » mba ho azo antoka tsara « hono ».
… Matoa mipoitra ny tranga tahaka ireo. Ametrahana sy ananana fahatokisana bebe kokoa ireo sehatra « ambony ». Io no miteraka ilay laza sy voninahitra. Tsy tokony hijanona amin’ireo, anefa. Tokony (na mila) mahavita manamporofo ihany koa fa sehatra « ambony » no miasa. Vokatra « ambony » no azo. Vokatra « ambony » tokony hisongadina kokoa raha hampitahaina amin’ireo vokatra azo tamina sehatra « tsotra ».
… Ao amin’ny firenena iray. Anisan’ny voasokajy ao anatin’ny sehatra « ambony » ny oniversite sy ireo sampam-pianarana ambony. Ny akademia, sy ireo seha-pikarohana mifamatotra na miankina aminy. Ao ihany koa ireo toeram-pikarohana sy fanaovana andrana samihafa iasan’ireo sokajiana ho « manam-pahaizana ambony », sns.
HaRy Razafindrakoto




