« Revirevy mody masoandro », eny amin’ny CCI Ivato. Rahampitso alahady ilay andiany faharoa amin’ity hetsika ity. Fampisehoana hamerenana ny revy mihodidina afon-dasy, iarahana amin’ny tarika Mahaleo sy ireo taranaka, Revy Lôlô sy ny tariny hoentin’i Benny, Bebey ary i Nini Kolibera ary ny vao mitenin’i Samoela. Samy hanana ora iray avy ny tarika, ankoatra ny hira iarahana.
Hisy fifanentanana mpilalao tantara an’onjampeo any Antsirabe. Hotontosaina rahampitso io, manomboka amin’ny 9 ora, ao amin’ny espace Le Délice, Vatofotsy Antsirabe. Arahina fampiofanana izay hosahanin’ireo andrarezina toa an’i Christophe Rabearimanana sy Arikaomsa Randria izany. Ny fikambanana Kanto Miranga no mpikarakara azy ity, izay manana tanjona ny hampitombo ireo mpisehatra amin’ny tantara fihaino.
Tendrena avokoa ny hira rehetra mandritra ny « Génération 2000 ». Efa fifanarahana natao tamin’ ireo mpanakanto io, mba hanome lanja ny fampisehoana hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hifandimby an-tsehatra ny tarika ‘Zay, Tempo Gaigy, Eric Tahina, Imagine, Spy D, Mirado, Joy K ary i Marion. Ny tapakila tsotra sisa tavela.




