Samoëla, Mahaleo, Lôlô sy ny tariny : Ni-« Revy Revy mody masoandro » ny mpijery

Ny fodian’ingahibe ma­soandro, tsy nanakana ny hafanana nandritra ny seho iray manontolo. Voatazona hatramin’ny farany ilay hevitra voarakitry ny lohatenin’ny fampisehoana, notanterahina teny amin’ny parking CCI Ivato, omaly, tolakandro. « Revy Revy mody masoandro », nahitana an’i Samoëla, Mahaleo, Lôlô sy ny tariny (bebey, Benny, Nini).
Na samy manana ny mpan­kafy azy aza. Tsikaritra ho na­kamban’ny kanto ho iray ireo mpijery maro be tonga teny an-toerana. Tsapa ihany koa fa tsy mifanalavitra eo amin’ny fitiavana hira izy ireo. Somary mifanakaiky sy mifameno, rahateo, ny hiran’ireto tarika ireto raha atao indray mihaino. Samy manome lanja goavana be ny tononkira, ny fahatsorana eo amin’ny fampitana izany any amin’ny mpijery.
Ankoatra ireo, nisongadina teny an-toerana ihany koa ny fahitana ny sokajin-taona rehetra. Samy narahin-dry zareo avokoa ny hiran’ireo tarika nifandimby teny an-tsehatra. Tao anatin’ny tsiahy ny zokinjokiny nanezaka ny « Amin’ny anaran’ny tolona », « Aza tsahon’ialahy », Lôlô sy ny tariny. Ireo tanora, noentanin’ny hiran’i Samoëla, sns. Nanampy sy nanamafy io hafanana namatotra ny mpi­jery sy ny teny an-tsehatra io ilay endrika fahazarana mia­raka eo amin’ny tarika tsirairay sy ireo mpitia azy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: