TARATRY ny KANTO

Tsara, mahay, kanto… Mbola voaporofo indray fa izay nahay nametraka an’ireo ao anatina vanim-potoana iray… Tsy hadinon’ny olona mihitsy. Raha manana ny maha izy azy ny kalon’ny fahiny, hatramin’ izay ka hatramin’izao. Tahaka izany ihany koa ny sanganasan’ireo mpihiran’ny taona 2000. Tsy latsa-danja ihany koa ny teo anelanelan’ireo fotoana roa ireo, izay nahitana sy nahenoana an-dry Lôlô sy ny tariny, ny tarika Mahaleo, sns. Fa maninona ny sanganasan’ny mpanakanto amin’izao vanim-potoana izao no mandalo fotsiny ny ankamaroana ? Sanatria, tsy kanto intsony ve ?
Mpampianatra valiha miisa dimy no tafiditra ao anatin’ny seha-pikarohana. Saika hiompana amin’ny fifamatoran’ny zavamaneno valiha sy ny fiainam-piarahamonina malagasy ny votoatin’ny fikarohana hataon’ izy ireo manomboka anio. Toerana sy olona maro no hanatanterahina ny fanadihadiana. Tsy sehatra tokana fa maro rahateo no hanaovan’izy ireo izany fanadihadiana izany. Ao ny tantsaha, ny mpampianatra mpika­roka, ny mpahay tantara, raiamandreny isan-tsokajy, sns. Marihina fa avy ao amin’ny foibe Valiha Académie ireto mpampianatra ireto.
« Soli deo Gloria », teny fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra nentin’ny tarika Zook Davids namintinana ilay seho notontosainy tany amin’ny Nosy Maorisy, omaly. Amin’ny ankapobeny, nizotra araka ny nanomanana azy avokoa ny zava-drehetra. Anisan’ireny ny endriky ny seho, ny hafalian’ny mpijery, sns. Nahaliana azy ireo ny fahaizan’ny tarika Zook Davids mifehy ny sehatra sy ny fampitan-kafatra ho fanairana ny rehetra hiverina hitodika amin’Andriamanitra indray.

Partager sur: