Nanodidina ny taona 2000 no tena nitoeran’ny lazan’ireo mpanakanto na tarika nandray anjara tamin’ilay seho « Génération 2000 », omaly. Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina.
Lany ny tapakila. Tonga maro ny mpijery ! Tontosa, omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina ilay seho an-tsehatra lehibe nampitondraina ny lohateny « Génération 2000’s »… Satria, ireo mpanakanton’io taona io no nifandimby niaka-tsehatra. Nahatazona ny lazany ry zareo « Génération 2000 » nahitana an-dry Imagine, Eric Tahiana, tarika ‘Zay, Tempo Gaigy, Mirado, Joy K ary i Spydee.
Amin’ny ankapobeny, nanodidina ny taona 2000 no tena nitoetra ny lazan’ireto tarika na mpanakanto ireto. Na izany aza, tsapa avy hatrany fa tahaka ny vao omaly no niatrehana izany. Ireo hira nahafantarana ny tsirairay rahateo no nameno ny fandaharam-potoana. Hain’ny mpijery rehetra avokoa izy ireny ka noredoniny. Nametraka fahatsiarovana maro teo amin’ ny fiainany, ohatra, ny « Ilay tena tiako » an’i Mirado.
Tafapetraka hatrany ilay fifamatorana
Tsy nanakana na nanapaka ilay fifamatorana eo amin’ ny mpankafy sy ny mpanakanto ilay tsy fifankahitana elaela teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny niteraka izany ny nitandrovan’ireo mpanakanto fatratra ireo pitsopitsony faran’ izay madinika nahafantarana azy hatramin’izay. Miala any amin’ny fiakarana an-tsehatra, ny feo sy ny aingam-panahy namoahana ilay hira. Ny nandrindrana ny hira, sns. Nifoha ho azy ny fahatsiarovana ny lasa teo amin’ny mpijery.
Nisongadina tao anatin’ity fampisehoana ity koa ny fananana traikefa eo amin’ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira…). Tsy voafetran’ny vanim-potoana iray ny zavakanto. Mitoetra hatrany izany rehefa misy ny fisongadinan’ny kanto ataon’ ny mpanakanto. Mbola mahatazona ny kanto ataony sy ny lazany tsara ny mpanakanto « Génération 2000 ».
HaRy Razafindrakoto




