Na samy Malagasy aza, samy manana ny kolontsainy, samy manana ny fombany, samy manana ny rano nandroany… Io harena ny fahasamihafana io no tokony hiteraka ny fifanajana. Hasina lehibe ho an’ny kolontsaina malagasy ny fananana azy ireny, satria, maneho fivelarana avy hatrany. Izay tsy hita any avaratra, tazana any atsimo. Ny tsy fantatra any andrefana, ampiasaina any atsinanana. Tahaka izany hatrany hatrany. Rehefa mety ho kolontsaina, saika ahatazanana io tranga io avokoa.
Tokony hiteraka fampandrosoana ny fisian’ny harena ny fahasamihafana eo amin’ny kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, sns. Tsy tazana loatra, anefa, izany raha atao indray mijery ny zava-misy marina eny amin’ny fiarahamonina. Hatramin’izao, mbola misy ny Malagasy tsy mahay manaja na mifanaja. Ao ny mihevitra fa ny kolontsainy ihany no « tena izy » sy tsy maintsy arahina.
… Mila fiovana sy fanavaozana lehibe ny fanabeazana eto Madagasikara. Io no iray amin’ireo lalana hitondra any amin’ny tena fivoarana eo amin’ny fiarahamonina. Omena lanja ny fampahafantarana ny harena ny fahasamihafana mba tsy hitohizan’ny bontolo. Hipetrahan’ny fifanajana eny amin’ny fiarahamonina.
… Mila manaiky ny toerana misy azy anefa ny tsirairay ka avy amin’izany no hanaingana ny fanavaozana sy ny fanatsarana. Rehefa mivaaotra ny tsirairay, mivoatra manaraka izany ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo.
HaRy Razafindrakoto




