Ny kanto mitoetra. Tsy nionona tamin’izay ireo taranaky ny tarika Ny Voanio, fa nanapa-kevitra ny hanohy sy hamelona ny zavakanto efa notozoin’ireo raiamandreniny.
1965-2025. Feno 60 taona izao no nisian’ny tarika Ny Voanio. Be ny nitranga nandritra izany fotoana izay. Teo ny fahalasan’ireo mpikambana sasany, ny tsy nahenoana ny tarika elaela, sns. Amin’izao kosa, naneho ny finiavana ombam-pikasana amin’ny hoavy ny tarika Voanio. Nampahalala vaovao maro koa, omaly, tetsy amin’ny Event’s Qual Ambatomitsangana izy ireo.
Voalohany indrindra, hankalazaina ny faha-60 taonan’ ny tarika Voanio amin’ity. Mbola misy ireo mpikambana taloha, hiaraka amin’ireo taranaka izay hamerina indray ireo hira nalaza tamin’ny taona 60, 70, 80. Faharoa, hisy seho lehibe voalohany, hotontosaina ny alahady 24 aogositra izao, manomboka amin’ny
3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCesca Antanimena.
« Ny voanio hatramin’izay ihany no hita amin’io fa tsy nisy novaina na ny rindra na ny feon’ireo hira rehetra. Tsy moramora ny mandimby azy 6 mianadahy na dia 6 mianadahy koa aza izahay no handimby amin’izao. Ny tena hitovy tanteraka, sarotra ihany, fa miezaka ny manakaiky no misy ary manantona ny tena feon’izy ireo. Eo koa ny ra mikoriana… », hoy ny fampanantenan’ny taranaka Ny Voanio.
Ho vahinin’ Ny Voanio mandritra ity fanombohana ny fankalazana ny faha-60 taona ity i Salomon sy i Narisoa. « Izaho dia mpankafy ary nanaraka izany tarika Ny Voanio izany hatramin’izay. Mahafaly ahy ny mbola hanatrika azy ireo amin’izao. Nisy koa fifamatorana teo amin’ny tantara, satria nisy fotoana nikarakara fifaninanan-kira ny paositra ka nandray anjara i Clarisse. Angamba 12 taona izy tamin’ izany. Anisan’ny mpikarakara an’io aho tamin’izany. Izaho koa mpandray anjara tamina foara iraisam-pirenena, ka nanolotra an’i Clarisse handray anjara tamin’izany sy nitohy tamin’ny fidirany tao amin’ny tarika » hoy i Salomon, feno fahatsiarovana.
Zo ny Aina




