Fiovana paikady : Ny mpanakanto no mizaka ny kajikajy

Taona 1950 hatramin’ny taona 1960. Tsy nampaninona an-dry zareo vahiny, indrindra fa ny Eorôpeanina ny nanafatra tarika mpihira na mpanao vakodrazana iray manontolo avy aty Madagasikara. 25 na maherin’ny 30 aza ny isan’ny mpikambana tao anatin’ny tarika iray. Taona 1960 – taona 1972, voatazona ny isa, sady, vao mainka nitombo ny fiverimberenana tany ivelany. Ireo tarika noheverin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona fa maharesy lahatra ny Malagasy no nentiny nivahiny tany Eorôpa. Mitovitovy tamin’io ihany ny tranga nisy nanomboka ny taona 1975 ka hatrany amin’ ny taona 1990 eo ho eo. Tsy niova loatra ilay masontsivana sy ny isa. Nomena vahana kokoa ireo mpanakanto akaiky ny mpitondra.
… Nanomboka ny taona 2000… Sady nahenan’ireo firenena any ivelany ny isan’ ny mpikambana ao anatin’ny tarika izay tiany hafarana, no nahenany ny fiverimberenana any amin-dry zareo… Amin’ izao fotoana, zara raha misy tarika mandeha any ivelany, amin’ny alalan’ny fanasana. Olona iray na roa na telo sisa no lasa tadiaviny. Ny mpanakanto no mizaka ilay kajikajy.

… Mbola tena vitsy anefa ny tarika na Malagasy mpanakanto afaka mandeha any ivelany tsy misy mpanohana. Ny rafitra sy ny olona no miova, na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Fa, ny mpanakanto daholo no mizaka izay kajikajy ataon-dry zareo!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: