Rahampitso, etsy amin’ny Foiben’ny Arsivam-pirenena malagasy Tsaralalàna, no hanatanterahina ilay velakevitra lehibe momba ny lanjan’ny tahiry voaangona nandritra ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-16 taonan’ny « Mémoire du Monde » eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina na Unesco. Anisan’ny nasaina manokana amin’izany ireo tanora mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra. Izy ireny rahateo no hikajy ny tahiry rahatrizay.
Manana ny lanjany sy ny hasiny manokana ny kolontsaina… Ho an’ny olona tsirairay ka mipaka hatrany amin’ny fiarahamonina. Matetika, tsy mahafantatra izany intsony ny Malagasy, hany ka zary lasa maka na mampiasa ny an’ny hafa. Satrin’ny vahiny hanongilan-tsofina amin’ilay feon-kira “Izahay sy malala” notendren’ny tarika Ny Antsaly, fahiny. Saingy, firy amin’ny Malagasy sisa no mahay na mahafantatra ny fisian’ izany?
Mitady lalana mafy any ivelany ny tanora malagasy, satria, tsy misy antenaina, hono, i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny paikady ataon’ny vahiny sy ny forongony io mba hampihataka ny Malagasy amin’ny taniny. Ho mora kokoa ny hidiran-dry zareo amina seho endrika vaovao indray eto, rehefa ny tanora no miala eo amin’ny taniny afaka 10 taona raha ela indrindra. Miha marefo ilay firenena. Miha matanjaka kosa ilay firenena mandray. Mila fanarenana goavana ny fanabeazana mba tsy hanao randra-mitarika ny tranga misy ankehitriny.




