Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”

Aiza ho aiza ny tontolo politika amin’izao? Eny, na ny fiainam-bahoaka aza… Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina hatramin’izay, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”. Dinidinika…

* Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao?
– Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Sarotra… Fandrindrana ny fiainam-piarahamonina izay tena andraikitry ny mpitondra fanjakana ny politika. Somary manjavozavo izay: tsy mifampiankina loatra amin’izay heverina ho tena filan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny, fa lasa any amin’ ny sehatra heverin’ny mpitondra fa mety hahazoany sitraka amin’ny vahoaka. Misy drafitra tsy tena voajery tsara, raha ny delestazy, ohatra: nahoana rehefa tsy mitokona ny mpiasan’ny Jirama, tapaka foana ny jiro; rehefa mitokona izy, vao mandeha ny jiro? Ny politika no lasa mifehy fiainam-bahoaka ankapobeny.
Misy ny ezaky ny mpitondra: fanamboaran-dalana, ohatra. Nefa mbola tsy hitan’ny vahoaka ny vokany. Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao: sondro-bidim-piainana. Mio­vaova ny vidin-tsolika, mifandraika sy mifehy ny toekarena sy sosialy. Raha midina, ohatra, izany: aiza ho aiza ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka? Tsy tena hita taratra. Eo amin’ny politika, na misy aza ny ezaky ny fitondrana amin’ny lafin-javatra sasany: somary takona noho ny fahasahiranam-bahoaka sy ny tontolo sosialy. Lasa mirona any amin’ny lavitra ezaka ny fanjakana, fa tsy miantraika mivantana any amin’ny vahoaka amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranany. Miezaka ny fitondrana amin’ny politika sy sosialy, saingy hita hoe tsy ampy hampilamina ny sosialy.

* Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’izany?
– Natao hitsikera izay tsy mety ny fanoherana, nefa manana adidy hanolo-kevitra koa ho fanatsarana ny fitantanam-panjakana. Manana adi­dy hitaiza vahoaka hahafantatra izay tokony hotoherina koa izy, fa tsy manohitra fahatany izay tokony hampandroso ny firenena. Ny olana: tsy mahita ny zavatra ratsy ataon’ny mpitondra ny mpomba azy, ary ny mpanohitra tsy mahita zavatra tsara ataon’ny mpitondra. Raha tena mpanohitra, tsy vitan’ny mitsikera fa mampahafantatra ny vahoaka sy ny mpitondra ny tolo-keviny. Matetika, raha mpanohitra no miteny: diso eo anatrehan’ny mpitondra. Raha ny mpitondra no miteny na manao zavatra: diso eo anatrehan’ny mpanohitra. Misy fifamenoana andraikitra ara-demokratika tsy tena mipetraka. Na eny anivon’ny Antenimierampire­nena aza, tsy mipetraka izay. Raha volavolan-dalàna iray, ohatra, no iaraha-mandinika, matetika tsy misy andraisan’ny mpanohitra andraikitra manoloana ny maro anisa. Tsy misy adihevitra izany.

* Mahavita ny andraikiny ve ny mpanohitra sa tsia?
– Nangingina ny fanoherana tato ho ato. Fahatsapana amin’ny tombana ny fifidianana nifanesy? Izay lanja nomen’ny vahoaka azy izany. Eo koa ny mety ho fahatsapany ny fahadisoany hatrany am-piandohana ny amin’izay tokony hahatafiditra azy eo anivon’ny fitondrana. Tsy ampy ny fampahafantarana ny ezaky ny mpanohitra nanohanany ny foto-keviny, nahatonga ny vahoaka nisalasala hifidy azy.
Eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena, ohatra: manana andraikitra tandrify azy ny mpanohitra. Na fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka io, na famolavolana tolo-dalàna sy fandinihana volavolan-dalàna. Nanantena ny mpifidy azy hoe tena hiady hevitra. Nefa sarona izay
eny amin’ny Antenimierampi­renena: manaiky fotsiny izay raharaha mandeha eny, na mivoaka ny efitrano fivoriana. Matetika, rehefa akaiky fifidianana hatrany vao mitabataba… Taorian’ny fifidianana nifanesy, nihanangatsiaka ny fanoherana. Misy mieritreritra fa efa tafapetraka amin’ny toerany, ka hadino izay nifidianan’ny mpifidy azy.

* Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izany? Na izay tokony hatao…
– Valalanina ihany amin’izao… Amin’ny sehatra sy endrika maro, miaina ao anatin’ny hoe manjavozavo: fahasahiranana sosialy. Nefa mitombo ny lafiny hetra. Manomboka mametraka fandaminana amin’ny fitantanam-bola ny fanjakana amin’
izao. Sahirana ny vahoaka nefa tsy maintsy mibaby sy miaina an’izay momba ny hetra izay. Tokony hitady fomba hijerena manokana ny lafiny sosialy ny fitondram-panjakana: famoronana asa na fananganana orinasa ho an’ny tanora, ohatra. Tsy misy ny tena fahazoan’ny maro anisa miditra amin’ny sehatry ny asa ara-dalàna. Tsy tena mbola hita taratra izay sehatra ahazoan’ny Malagasy manana asa.

* Inona no hanarenana an’izay?
– Tsy miankina irery amin’ny mpitondra, na mpanohitra, na vahoaka… Azo atao, ohatra, mamoaka antontanisa hijerena ny sokajin’olona rehetra tsy miasa, na manampahaizana na tsia. Ny asa aloha no zava-dehibe, mitera-bokatra tsara ho an’ny isan-tokantrano sy ny isam-ba­tan’olona. Tsy mbola hita mi­songadina hatramin’izao: inona no hampandrosoana an’ireo tsy an’asa? Tena mila jerena isan-tsokajiny izay azo atao; eny, na ny fanodinana fako aza, ohatra. Mila tadiavina izay rehetra manana ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny taozavatra, fambolena… Mila fiofanana izany, ary hanaovana fifanarahana asa. Raha nanao fifanarahana amin’izay atao, ohatra, ny mompera Pedro: tsy fanampiana no nataony, fa fanomezana na famoronana asa. Hita ny fandrosoana sy ny fivoa­rana.
Ny olana, notezaina tao anatin’ny miraviravy tanana ny olona: zatra tolorana fa tsy miasa. Ny efa miasa ihany no miasa, fa misy malaina. Mila fanadihadiana lalina sy fandaharanasa mazava ny hoe tsy avela hitomoetoe-poana izay tsy manana asa. Inona no tokony ho vitany? Tsy misy hanome asa koa eo, raha tsy mitady. Misy mpanao politika iray izay niteny hoe: tsy ny olona no mitady asa, fa ny asa no mitady olona. Be dia be ny asa tokony hatao, fa ny olona hanao azy no tsy hita na tsy mazoto.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: