Miatrika fiofanana ireo ben’ny Tanàna 27, mpikambana amin’ny tambajotra “Centres de lecture et d’animation culturelle” na Clac. Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Motel Anosy izany, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanetsehana indray ny fandaharanasa mahakasika ny kolontsaina eny ifotony. Ny Organisation internationale de la francophonie na OIF no namatsy vola ny tetikasa Clac, hatramin’izao fampiofanana izao. Tanjona ny hampiroboroboana ny vakiboky manerana ny Nosy, indrindra any ambanivohitra.
Hisy ny hetsika ho an’ny lalao iombonana hotontosaina eny amin’ny AFT Andavamamba, ny 11 hatramin’ny 23 aogositra izao. Ahitana lalao isan-karazana ho an’ireo ankizy izany, toy ny fanorona, katro, échecs, sns. Eo koa ny fifaninanana belote, squardo, wasabi, ludo, jeux des 7 familles, Kintana sy Mada Memory ho an’ireo tanora. Hiara-dalana amin’izany koa ny “jeux videos”, ho an’ireo mpankafy izany. Natao indrindra handanian’ireo mpianatra ny fotoanany mandritra izao fialantsasatra izao ny hetsika.
Tontosa omaly ny atrikasa momba ny mozika nataon’i Martin Zenker, tao amin’ny CGM Analakely. Hitohy amin’ny atrikasa mahakasika ny feo izany anio amin’ny 10 ora maraina, miaraka amin’i Jessica Pham. Mahakasika ny contrebasse kosa ny hariva amin’ny 2 ora tolakandro, iarahana amin’ilay mpitendry gitara beso Martin Zencker. Tsiahivina fa atrikasa mialoha lalana ny “Jazz@TOhatohabato”, izay hotontosaina ny 10 aogositra izao ireo.




