An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io […]
Mois : juillet 2025
Fametavetana ankizivavy: Lehilahy naiditra amponja eny Tsiafahy
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tovolahy iray, voasambotra ny 19 jolay lasa teo. Sady mametaveta ankizivavy izy no mandrakitra izany anaty horonantsary. Misarika ireo tovovavy tanora amin’ny alalan’ny fakana sary atao amin’ny dokambarotra ity lehilahy iray nanolana zaza tsy ampy taona ity. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny fampanoavana teny […]
Ho fampivoarana ny tantsaha …: Fotoana iray ahafahan’ny mpiantsehatra mampiseho ny vokatra ny tsenabe
Ho fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy fampiroboroboana ny famokaran’ireo tantsaha, nisy ny Tsenabe fivoarana izay atao eny Mahitsy, nanomboka omaly ka haharitra telo andro. Mpiantsehatra marobe no tonga mampiranty ny vokatra eny an-toerana. Tanterahina eny amin’ny Kianja Mahitsy ny hetsika «Tsenabe fivoarana», izay karakarain’ny solombavambahoakan’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Tonga nanokatra izany […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny lalana Andranotapahina sy Ivato, ny Voie Rapide manomboka eo amin’ny Rond-Point Ivato Don Bosco hatrany amin’ny Rond-Point Andranotapahana. Manodidina ny 4 km ity ampahany farany ity. Nampahafantarina tany Ambovombe, ny fanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny 22 sy 23 jolay teo. […]
Rallye des industries : Miditra amin’ny dingana famaranana ireo mpifaninana
Hatao ny sabotsy 26 jolay izao, ny tapany farany amin’ny “Rallye des Industries”. Hotanterahina amin’io ny lalao manasa-dalana sy ny famaranana lehibe. Hanaporofo ny fahaizany sy ny paikadiny ireo mpifaninana taorian’ny fifantenana tamin’ny 12 jolay lasa teo. Eo amin’ny sehatry ny fanondranana, ny tontolo iainana ary ny politika indostrialy no […]




