Mois : juillet 2025

Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Manatanteraka ny asa ao anatin’ny ara-dalàna sy mangarahara

Manohy sy miezaka manatanteraka ny asany, araka ny vi­nan’ ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fana­tanjahan­tena amin’izao fotoana izao. Notanterahina tetsy Am­bohijatovo, omaly, ny fandraisan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah, an’ireo atleta mal­a­gasy mpilomano. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay […]

Andian-jatovo mpanao herisetra : Enin-dahy indray voasambotra tao Toamasina

Miverina indray raha so­mary nilamindamina teo ho eo ny tambajotran’ireo andian-jatovo mpanao herisetra sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana efa mampikaikaika, manao ny ataony koa ireto andian-jatovo manao asan-jiolahy ireto. Ma­noloana izany, nihorohoro indray ny mponina ao amin’ny fokontanin’Ambalamanasy sy Andranomadio 11/43 sy ny ma­nodidina amin’ny afitsoky […]

Oniversite Ankatso : Hamafisina ny fitan­droana ny filaminana

Natao tao amin’ny efitrano « R+Rose » Ankatso ny adihevitra sy dinidinika momba ny fametrahana fandriampahale­mana maharitra eny amin’ny faritry ny Oniversite Ankatso. Nitarika ny fivoriana ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Voahirana Raboanarijaona, ny tale jeneralin’ny Centre régional des œuvres universitaire d’Antananarivo, Mamisoa Aina. Teo koa […]

Niharan’ny fanolanana: Tovovavy nirahin-drainy hividy rongony

Niharan’ny fanolanana nataona mpivarotra rongony ny tovovavy iray 16 taona, zanaky ny raim-pianakaviana iray nirahiny hividy rongony, tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny fiandohan’ny volana jona teo. Efa tsy nety nandeha ity tovovavy niharam-boina ity saingy noteren’io rainy io, noho izy te hifoka zava-mahadomelina. Tsy vitan’izay fa mbola tratran’ny […]

INDRAY MIJERY

Manan-danja ny fampianarana. Antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony nisafidianana manokana ny Anjerimanontolo Ankatso ho toerana hanatanterahana ny fikaonandoha atrehin’ny daholobe, ny 14 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-45 ny vondrona Sadc. Tombony ho an’ny oniversite ny fandraisana izany, ahafahana mametraka ny lanjan’ny fampianarana ambony sy […]