Fikarohan’i Miampita Iorenana: Voarakitra anaty boky ny tantaran’Imady

Nampahafantarina teny Avaratr’Antanimora ny fivoahan’ny boky “Imady : Fitiavana sy ny Tantarany”, nosoratan’i Miampita Iorenana. Namba­rany fa “tsy tokony hiandrasana vahiny ny fanaovana izany. Isika miaina azy sy mahita ary mahafantatra azy no zava-dehibe”. Nohamafisiny rahateo fa “mirakitra ny tanta­ran’Imady ity boky ity ary manabevoho ireo tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy misy ny tantaram-pirenena”. Notsiahiviny fa naharitra 813 andro ny nanatontosana ny boky “Imady: Fitiavana sy ny Tantarany”. Tafiditra ao anatin’izany ny fotoana nidinana tany ifotony ka hatramin’ny nanoratana sy nanatontosana azy ho boky azo vakina. Anisany ny momba an-dRa­mady, ny nahatonga ny anaran’ny toerana na ny tanàna. Hatramin’ny hoe anaran-dray ahitana an’Imady 200 sy ry Imady telo toko.
Nambaran-dRanjatohery Harilala, mpikaroka sy mpanoratra ny tantaram-pirenena fa ilaina sady tena zava-dehibe ny ezaky ny tanora tahaka izao. “Hokororohin’ny mpandinika sy hotsikerainy io boky io, fa tsy sakana ho an’ny fikarohana sy fanoratana ary fa­moahana izany, satria, ho vy miaina ahafahana mandalina bebe kokoa”, hoy izy raha nitodika manokana tamin’ i Miampita Iorenana, mpanoratra, izy.
Efa anisan’ny ezaka tamin’ity namoahana ny boky ity ny tsy niandrasana mpanohana na editora sy fanaovam-pirinty fa tanora nobeazina tamin’ny skotisma i Mampita Iorenana ka nahay nikaro-dalana.
Tsiahivina fa ahitana takila 120 ny boky ary ny mpanoratra sy ireo olona akaiky azy rehetra no nahavita izao dingana goavana izao. Miisa 200 ireo vita printy ka arakaraka ny tinady no hanaovana ny fanontana manaraka, raha ny fanazavany hatrany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: