TARATRY ny KANTO

« Oscars-Academy Awards ». Nahazo fankatoavana ary efa am-perinasa ny kaomity misahana ny fifantenana ireo horonantsary hisolotena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Mbola manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny Ivon’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara na ISSM, mba handefa ireo vokatra izay hifaninanana anatin’ny sokajy « Meilleur film international 2026 ».

Voatendry ho tonian’ny fahitalavi-pirenena TVM i Kevin Deris. Nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia alina teo ity fanendrena ity. Mpanatontosa sarimihetsika no tena nahafantarana ity tale vaovaon’ny TVM ity. Nisongadina tamin’ireo zava-bitany teo amin’ny sehatra izay andrandrain’ny rehetra, fa hitondra aina vao ho an’ny TVM ny traikefany, indrindra fa hiditra amin’ny TVM 2, izay hifototra manokana amin’ny fampahalam-baovao izy ireo.

Ketrehina ary haseho ao amin’ny Alliance Française ao Antsirabe ny “Joro”. Fampisehoana ma­rolafy, izay kononin’i Dee Andriambelo, Tsanta Nasandratra ary i Tiavina izy ity. Misy lohahevitra voizina ao anatiny, manodidina ny vehivavy sy ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Haseho voalohany rahampitso sabotsy, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izany. Tohin’ny ketrika efa natombok’ireto mpanakanto ireto taona vitsivitsy lasa izay ny “Joro”.

Partager sur: