Mampivanaka… Mahazendana… Indraindray aza tsy takatry ny saina ny zavatra hitan’ny maso eo amin’ny tontolon’ny zavakanto maneran-tany. Fivelarana tsy misy tahaka izany. Saingy tsapa fa misy tsy fahampiana ao anatiny…
Hosodoko, tsy misy ho kianina. Sokitra, tsy misy tomika… Hira, ao anatina zavamaneno iray ny feo rehetra. Olona tokana ihany no mitendry, dia vita!… Saika, tahaka izany ny endrika isehoan’ny zavakanto maneran-tany amin’izao vanim-potoana izao. Tsy mahazo laka intsony ny famoronana manaraka ny lamina voajanahary. Aingam-panahy, hoy ny Malagasy. Ny fanahy no ivo hoenti-mamoaka ilay kanto avy ao anatin’ny tena.
Noho ny fihazakazaky ny teknôlôjia sy ireo hairaha isan-karazany, miha tsara endrika ivelany ilay ao anaty vala famaritana ny kanto. Tsy tazana intsony ilay indrokely vitan’ny penina ho an’ny hosodoko. Tsy hita intsony ilay fandraka narenim-mpamindra ka nahavitana endrika kanto vaovao indray. Nanjary tonga lafatra ny zavakanto ilay zavakanto foronin’olombelona.
Nankaiza ilay fanahy hoenti-mamorona?
Ao ihany ilay fanahy fa hadino na takona ny tokony hampiasana azy. Nanjary niompana any amin’ireo fitaovana hoenti-manatsara endrika ny zavakanto ny zanakolombelona. Sady vita «tsara» (raha endrika amam-bika) no haingana ny asa tanana. Nitombo rahateo ihany koa ny fahaiza-mamadika ny zavakanto ho varotra.
Noho ny tsy fampiasana firy intsony ny «aingampanahy». Tahaka ny zavatra tsy misy aina ilay zavakanto. Tsara ivelany fa tsy mateza. Lasan-ko bikany fotsiny. Ho an’ny Malagasy manokana, fahiny, lafo vidy noho ny hasina lehibe ananany ny lamba landy hoenti-mianjaika. Manan-kasina, satria, nandrahoin’ny rano (hasin’ny rano), notenonin’ny tanana (hasin’ny tanan’ny mpanenona). Ankehitriny, very izany, satria, na ny akora na ny landy samy ampiasana ny teknôlôjia avokoa. Tsara ny fivelaran’ny zavakanto maneran-tany fa ny hasina ihany koa tokony hivelatra hanaraka izany.
HaRy Razafindrakoto




