Opération Bokiko : Hisy atrikasa ho an’ireo te hanoratra boky

Maro ny manan-talenta amin’ny asa soratra. Tsy ny re­hetra anefa no nahavita ma­moaka izany ho boky. Ho fa­nampiana ireo manam-paniriana hamoaka ny asa sorany ho boky, mikarakara andiana atrikasa ho azy ireo ny Opéra­tion Bokiko. Hotontosaina anio ny atrikasa voalohany, ma­nom­boka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. Hatokana ho an’ireo havanana kokoa amin’ ny fanoratana amin’ny teny frantsay izany. Hatao amin’ny sabotsy 9 aogositra izao kosa ny an’ireo izay mirona amin’ny fanoratana amin’ny teny malagasy, eny amin’ny Tranom­bo­ky Siméon Rajaona Antsa­habe.
“Tsara kokoa raha efa mi­tondra sahady ireo sanganasany mipirimpirina any ireo te handalina, mba hahafahana sahady manampy azy ireo hi­roso amin’ny fanatanterahana ny tetikasany”, hoy i Michèle Rakotoson. Ity mpanoratra sady mpanorina ny Opération Bokiko ity no hitarika ny atrikasa amin’ireo fotoana ireo. Hisy tohiny izany fa tsy hijanona ami­na fotoana iray. Haka endrika fifaninanana eo amin’ ireo samy mpiofana aza, ka izay manana sanganasa ma­ha­liana indrindra no hampiana, hahatongavany any amin’ ny famoaham-boky. Ankoatra ny fanandratana ny literatiora mantsy, andraikitry ny Opéra­tion Bokiko ny fanampiana sy fanohanana ireo mpanoratra mbola tsy fanta-daza. Hano­me aina vao ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky ihany koa izany.

Zo ny Aina

Partager sur: