Seho « Fahasoavanao »: Dimy taona ny Mihir’all for Jesus

Taona 2020 – 2025. Feno dimy taona ny tarika Mihir’all for Jesus. Ho fanamarihana io vanim-potoana io, hiaka-tsehatra haneho ny “Fahasoavanao” ry zareo. Seho ara-pilazantsara tanterahina anio sabotsy 2 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Hôtel Astau­ria Antanimena.
Hetsika natao maimaimpoana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. Tsy misy rakitra hotatazana fa hanehoana ny voni­nahitr’Andriamanitra, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny tarika Mihir’all for Jesus hatrany. Mahatratra 20 eo ho eo ny isan’ny hira hatolotr’ity tarika ity amin’io. Noken­drena haharitra 2 ora sy sasany ny seho. Hivoaka amin’ito fampisehoana tanterahina androany ito ihany koa ny “Vita­nao io”, na ilay « album USB », voalohany izay mirakitra hira 8, an’ny tarika Mihir’all for Jesus.
Fotoam-piderana. Fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahatrarana ny faha-5 taona. Ireo ny fandaharam-potoana amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana nomen’ireo mpikambana ao amin’ny tarika.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: