Fifaninanana “Tafan-gilita”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny “Prime 3” amin’ity fifaninanana tendry gitara ity. Hiova toerana izany, satria hatao ankalamanjana, eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Mba hizaran’ireo mpifaninana sahady ny karazan-tsehatra no antony, no hahafahan’ireo mpanotrona mba manohana bebe kokoa ireo mpifaninana ihany koa. Hizara ny traikefany ho an’ireo mpifaninana mandritra izany i Kolibera, ilay andrarezin’ny tendry gitara.
“Jazz @ Tohatohabato”, hisy sahady ny seho rahampitso, ao amin’ny CGM Analakely, amin’ny 3 ora tolakandro. Nialoha lalana ity hetsika lehibe ity ny atrikasa isan-karazany, niarahana tamin’ireo vahiny mpanakanto avy any Allemagne sy Autriche. Mbola homena sehatra izy ireo anio, izay sady hampiditra ny “Jazz@ Tohatohabato”, izay hotontosaina ny alahady 10 aogositra izao.
“Our Generation”. Ho fantatra rahampitso hariva izay hisolo tena an’i Madagasikara ho any Russie. 5 mirahavavy izy ireo no niatrika ny dingana famaranana, ny alarobia lasa teo. Tsy mbola nampahafantarina kosa izay nandresy, fa miandry ny fandaharana manokana, handeha amin’ny fahitalavitra Real Tv, amin’ny 3 ora tolakandro. Iray amin’i Riantsoa, Breinda, Itsikiana, Hirasoa, ary i Michella, araka izany, no handimby an’i Filamatra any amin’ity fifaninanan-kira iraisam-pirenena ity.




