Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Ambatonakanga, ny fotoam-pivavahana nanokafana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny sekoly ambony momba ny teolojia sy ny hay fivavahana (Esther). “Antoky ny firenena tsara tantana sy ny fierenandoha ara-toekarena eto Madagasikara ny fianarana ny teolojia”, hoy Randriamampionona Alfred, talen’ny ivontoeram-pampianarana. “Manampy amin’ny famolavolana ny olom-pirenena ho olom-banona sy hanana fahalalana ary hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa ny teolojia”, hoy Ramilison Harifidy, filohan’ny filankevi-pitantantana. Efa maro ny olona voasarika manaraka io lalam-piofanana io. Tsy ny mpiofana ho mpitandrina ihany fa efa maro ny olon-tsotra liana amin’ny fanarahana izany amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, fianarana
mahakasika an’Andrianamanitra ny teolojia. Hita fa nahatsara ny firindran’ny fiarahamonina ny fandalinana momba an’Andriamanitra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Rehefa vita ny fianarana, afaka manao ny asana mpitandrina, mitantana fikambanana, sekoly sy ny maro hafa ny olona iray. Afaka hanatsarana ny fahalalana efa azony ihany koa izy io. Hanomboka ny volana septambra izao ny fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ny fianarana. Ny volana oktobra izao koa ny fanombohan’ny taom-pianarana ho an’io sekoly io. Maharitra telo taona na dimy taona ny fianarana.
Mino




