« Our Generation 2025 »: Ho any Russie i Michella, Brenda ary Riantsoa

Miandrandra fandresena hatrany. Fantatra omaly ireo nibata fandresena tamin’ilay fifaninanana «Our Genera­tion», nifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara. Voalohany i Michella, Faharoa i Brenda ary fahatelo i Riantsoa. Raha toa ka solontena iray fotsiny no nihazo an’i Russie tamin’ny taon-dasa, hiaraka kosa izy telo mirahavavy ireto amin’ity. Tsy vitan’izay fa hanaraka azy ireo ihany koa i coach Fidy, izay efa nandray an-tanana ireo ankizy nifaninanana, nandritra izay iray volana izay.
Nafana ny fifaninanana, indrindra ny famaranana teo amin’izy 5 mirahavavy. Na izany aza, tsapa fa nanana tombony hatrany i Michella, izay zokiny indrindra (14 taona) tamin’izy ireo. Ireo mpikarakara ny « Our Generation », izay nanaraka hatramin’ny voalohany, no tompon’ny teny farany tamin’ny famaranana teo. I Michella, araka izany, no tena hifaninana amin’ireo solonte­nan’ny firenen-kafa. Hatao any amin’ny Arena Moscou, any Russie, ny tena ivon’ny fifaninanana iraisam-pirenena «Our Generation», ny 11 oktobra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra ny fifidianana mandritra izany, ka efa hanentanana sahady ireo Malagasy manerana izao tontolo izao, hanohana ireo solontenantsika.
Marihina fa ankoatra ny tapakila mankany Russie, nahazo loka marobe izy 5 mirahavavy tafakatra tamin’ny dingana famaranana.

Zo ny Aina

Partager sur: