« Jazz @ Tohatohabato » – Hitohy anio ny « masterclass ». Nahita fofompofony amin’ny fampisehoana lehibe izay hatao amin’ny alahady ireo mpankafy nijery ny sehokely tetsy amin’ny CGM, omaly. Miaraka amin’ilay mpitendry piano, Valentin Edelmann indray ny atrikasa anio, amin’ny 2 ora. Ilay mpitsoka trompetra Jordi Roviro kosa no mitarika ny rahampitso amin’ny 11 ora. Mbola eto avokoa ireo vahiny mpanakanto nasaina ireo, hatramin’ny alahady izao.
Niampy ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem, sampana Mahajanga. Notokanana ny sabotsy teo ireo mpikambana vaovao, nandray ny tsodrano tamin’ireo mpikambana mahefa, ary notronin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera. Narahina seho ara-javakanto, toy ny antsa tononkalo, hira ary dihy mirindra izany, natao tao amin’ny IUGM Ambondrona. Nisy ihany koa ny fampirantiana momba ny fikambanana sy ny sanganasan’ireo mpikambana.
Namerina ny fahatsiarovana tany ambadiky ny taona maro lasa ry Kakakaka Kaiamba. Feno avokoa ireo seho roa niarahana tamin-dry Gothlieb, Francis Turbo ary Fou Hehy, ny zoma sy ny alahady teo, tetsy amin’ny Food Courts La City Ivandry. Nanana ny toerany teny antsefantsefan’ny hira teny ny fampihomehezana izay tsy afaka amin-dry zalahy, nanaingo ny fampisehoana. Manantena sehatra lehibe kokoa ireo mpankafy.




