Marina fa tsy tena izy, saingy izao vao hisy mpiady afrikanina, indrindra fa hoe Malagasy, amin’ny lalao “Tekken”. Hafaliana ny an’ny mpankafy rehetra raha nahalala fa tafiditra i Miaro Zo, izay efa malaza sahady.
Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy “jeux videos”! Sambany teo amin’ny tantara, indrindra anatin’ny “Tekken” no misy idiran’i Madagasikara sy ny Malagasy. Hafaliana vao maraina ny an’ny rehetra omaly rehefa nampahafantarina fa tafiditra ao anatin’ity lalaon’ady ity i Miaro Zo. “Izaho no Miaro Zo, tsisy ankitsitsitsitsy eto!”, hoy ny fampahafantarana amin’ny teny malagasy, raha hisafidy ny hitondra azy ireo mpilalao. Maka endrika tovovavy malagasy 18 taona, mirefy 1,58 m, mahafehy ny moraingy sy ireo haiady nentim-paharazana izy. Tia karokaroka, mailomailo ary feno hery.
Tsikaritra ny trano gasy amin’ny tontolo ambanivohitra. Misy ireo gidro roa manaraka an’i Miaro Zo hatrany koa, dia i Vanilla sy i Cacao, izay maneho ny tontolo iainana aty Madagasikara. Manampy tosika ny fampahafantarana ny Nosy amin’ny lafiny tsara mantsy izany, araka ny nambaran-dry zareo mpikambana ao amin’ny « Tekken Madagascar », izay anisan’ny tompon’antoka amin’izao fandresena izao. Fandrsena satria sady nofy tanteraka no valin’asa ihany koa izao ho azy ireo. Fitaovana iray hafa hanasongadinana an’i Madagasikara maneran-tany izao, indrindra fa izay koa vao misy mpiady afrikanina ao anatin’ity lalao be mpankafy maneran-tany ity.
Raha alefa lavidavitra, inoana fa vokatry ny fifandraisana akaiky teo amin’i Madagasikara sy ny Bandai Namco izy ity. Nandalo teto amintsika mantsy i Harada izay mpamorona ny Tekken tamin’ny volana oktobra 2024. Niaraka taminy, nandritra izany, i Kohei Ikeda, talen’ny Tekken 8. Nisy mihitsy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny fikambanana “Tekken Madagascar”, nandritra ilay fifaninanana « Next Level Play LCQ Edition ». Ny azo antoka aloha dia dodona hilalao sy hitondra an’i Miaro Zo avokoa ireo mpiondana Tekken izao.
Zo ny Aina




