Rahampitso amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Hisantatra ny seho ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato ny « Jazz Kids ». Ireo ankizy efa ao anatiny sy ireo maniry ny hiditra ao amin’ny tontolon’ny jazz no hiaka-tsehatra eny an-toerana. Hanana endrika fifanakalozana ity seho ity, satria, samihafa ny toerana na foibe na olona nanovozan-dry zareo fahalalana. Raha tsiahivina, iray amin’ireo fampisehoana mahaliana ny mpitia jazz ny « Jazz kids », satria, ahafahan’izy ireo mitily sahady ny ho dimby atsy aoriana.
Sarotra ny mifandresy lahatra. Mitombo tsy misy tahaka izany ny isan’ny fampianarana zavamaneno eto Madagasikara. Tsy ratsy na sanatria tsy mety ilay fomba fanao fahiny: « sofina mandre, maso mahita ». Tsy tokony hailika na handosirana ihany koa, anefa, ny fampianarana zavamaneno manaraka ny fomba fampianarana fahita maneran-tany. Mampiasa ny solfezy, ohatra. Afaka mifameno tsara ireo fomba roa ireo. Noho izany, tokony hiaraka hita any amin’ireny toerana fampianarana zavamaneno ireny.
Havoaka amin’ny fomba manetriketrika, ao amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina, ny 9 aogositra izao, ny andia « Emboka » eo amin’ny tontolon’ny kabary, anivon’ny Fikambanan’ny mpikambary malagasy maneran-tany. (Fi.Mpi.Ma). Sokajy mpiofana sy takalo no ahitana azy ireto. Amin’ny ankapobeny, naharitra sivy volana ny fiofanana. Marihina fa avy eto amin’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo izy ireo. Aorian’io fotoana io, samy hanatanteraka lanonam-pamoahana indray ny isan-tsampana.




