Hotanterahina ny 28, 29, 30 aogositra 2025, ao Tsihombe Androy, ny «Festival Rebeke» andiany faha-9 izay karakarain’i Tsimihole. Hetsika natokana ho an’ny gadona Beko izay mampiavaka ny faritra atsimon’i Madagasikara ary lova navelan’ny Antandroy izy io. Ivondronan’ny mpibeko, ny mpiantsa, ny zokiolona ary ireo tanora manan-talenta manodidina amin’ny ady amin’ny feo, ny fitantarana sy ny hira masina ny fanatanterahana azy. Manasongadina ny mozika nentim-paharazana, ny dihy ary ny zavakanto ao an-toerana ihany koa. Hanokatra sehatra ho an’ny mpanakanto avy amin’ny faritra, hanehoany ny talenta sy ny kolontsainy amin’ny mpihaino marobe ny hetsika. Anisan’ireo mpanakanto handray anjara amin’ny seho sehatra mandritra io fankalazana io ny tarika Olombelo Ricky. Mikendry ny hanome voninahitra ny lehiben’ny beko, hampirisika ny taranaka, hanamafy ny firaisankina ara-kolontsain’ny foko Antandroy izy ireo. Hanamafy ihany koa ny hafatra ho fiarovana ny sokatra izay biby masin’Androy noho izy ivon’ny fifandanjana ara-panahy sy ara-tontolo iainana any Atsimo.
Ninah (mpianatr’asa)




