“Misia ny mazava. Teny mahafehy ny antom-pisianay sy iraka mafy ato am-ponay. Antso hamelona fanantenana indray”, hoy ny fanambarana ao amin’ny pejin’ny Voice of God na Vog. Antony nisafidianan’izy ireo ny lohahevitra hanompanana ny fampisehoana izay hotontosain’ny Vog ny sabotsy 9 aogositra izao izany, manomboka amin’ny 5 ora hariva, eny amin’ny La City Ivandry. Seho fiomanana sahady amin’ny hoavy maromaro hotontosain’izy ireo io, indrindra ny fivoahana any Europe, izay kasaina ato ho ato. “Manana vina hanao fitoriana miaraka any Europe izahay, ka fanombohana ny fanomanana io. Hidera Azy isika, hifaly, hianoka ny fanatrehany, handray ary hizara”, hoy hatrany ny fampahafantarana.
Ireo hira nahanfatarana ny Voice of God nandritra izay taona maro nisiany izay no hozarain’izy ireo an-tsehatra indray. Anisan’ireny ny “Tiany”, “Sambatra sy tretrika”, “Tiako ianao Jesosy” sy “Omeo azy”, hiampy ireo hira vaovao. Tsy mivaona amin’ny gospel sy ny karazan-gadona mora hampitana ny fiderana ny Vog, satria izay no loko efa napetrak’ireto tanora manan-talenta ireto hatrany am-boalohany. Mpitendry tanora matihanina avokoa ihany koa no ao anatin’ny tarika, izay mifameno amin’ireo mpihira anisan’ny efa fanta-daza amin’izao.
Zo ny Aina




