TARATRY ny KANTO

Nahazo boky miisa 27, avy amin’ny japoney ny Tranombokim-pirenena malagasy. Hanampy isa ireo boky ao amin’ny tahala ho an’ireo firenen-kafa, ao Anosy izany. Hanampy betsaka ireo mpikaroka, mpianatra na mpampianatra, amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Efa nanomboka ny taona 2021 no tafiditra ho anisan’ireo firenena hampahafantarina ao amin’ity tahalan’ny Tranombokim-pirenena malagasy ity i Japon, ary namatsy boky hatrany ny masoivoho eto amintsika.

ADMC –Craam, ho ivon’ny adihevitra ny sikidy. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany, eny amin’ny ADMC Craam Ankatso, ny adihevitra manodidina ny sikidy eto Madagasikara. Hitarika izany ny profesora Rakotondrajao Fanja, i Zamabe Fanorona ary i Harinantenaina Mathyas. Hovela­belarina mandritra izany ny tantarany, ny antom-pisiany, ny karazany ary ny hoavin’ny sikidy.

Hikatona fotoana fohy ny IFM Analakely. Hiato ny asa rehetra ny 11 hatramin’ny 16 aogositra izao, noho ny fialantsasatra. Voakasik’izany avokoa na ny tranomboky na ny tahala fanaovana hetsika rehetra sy ny rantsamangaikan’ity ivokolo frantsay eto Mada­gasikara ity. Fihatoana kely ihany, satria raha oharina amin’ny isan-taona dia telo herinandro ny fialantsasatra ho an’ny IFM Analakely. Mbola misy hetsika maromaro kosa hotontosaina ao hatramin’ny alahady izao.

Partager sur: