zavakanto sy Kolontsaina: Misongadina ho azy ny mahay

Ny famaritana ny « mahay » aza efa nanjary sarotra be! Ny « doka » indray, efa zary rivotra iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Vao mainka hampiarahina izy roa ireo… Mety ho avy amin’ny « doka » no ilazana fa mahay ?

Ity tranga ity, tsy an’ny Malagasy fa vao nentin’ny «fandrosoana». Fomba fijery nampidirina taty aoriana. Ireo manan-talenta, mety ho mpanakanto ihany koa. Sa­lorana ny «Grand maître» na «Maître» na «Grand», satria, mahay, araka ny fahitana ny zavatra ataony. Efa zary fomba fiteny, ohatra, ny hoe : «iny maître be amin’ny fiten­drena gitara». Mety hanana endrika fanajana io, amin’ny lafiny iray. Sanatria, mety hiteraka fieboeboana ihany koa.
Ny Malagasy, tsy mba namaritra na nametraka ny «mahay», ho «maître» na «grand maître» raha eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Tsy midika akory izany fa tsy «mahay» ny Malagasy. Sarotra ho an-dry zareo vahiny, ohatra, ny mitendry ny bagasy avy ao Imerina, satria, ilay aingam-panahy na ilay fanahy ao anatin’ny karazan-kira tahaka ireny tsy voatery ho vitan’ireo «maître» na «grand maître», amin’ny fitendrena ny zavamaneno piano, any ivelany. Ankoatra ny mari-pahaizana sy ny fanajana ny fototra. Io aingam-panahy hoenti-mamorona, mitendry, mihira, manaja ny soatoavina, sns, io no nentin’ny Malagasy nilazana fa «mahay zavakanto na kolontsaina» ny olona iray.
Tsy nilaina fandokafana na nosalorana ny «grand maître» na «maître», sns. Nipoitra ho azy teny anivon’ny fiarahamonina ny anaran-dry Dada­paoly (mpitendry gitara tsy manam-paharoa), Zézé (an­drarezina tamin’ny fitendrena valiha), Jeanne Naly (itoeran’ny feo kanto)…
…Fatra-paka tahaka, loatra, ny vahiny ny Malagasy. Tsy mahazo aina raha tsy mampiasa ireny karazana mpamaritoetra ireny hoenti-maneho hevitra. Tsy azo hadinoina, anefa, fa mety ho doka omen’ny vahiny fotsiny ihany izy ireny fa tsy tena milaza na maneho ny marina. Na, mety ho zavatra hafa ihany koa… Ny azo antoka, misongadina ho azy ny «mahay», raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: