Famerenana ny fahiny : Tsy tokony hovaina ny tononkira…

Mahazo vola noho ny tompony, hono, ry zareo mpame­rina? Tsy vitsy aza ny mivelona amin’izany… Tranga tsy vao izao sady efa fahita maneran-tany. Na izany aza, tsy tokony hasiam-panovana izy ireny. Tazonina ny tonony, ny feony, ny fandrindrana, sns. Tsy hitovy tanteraka tamin’ny namoronana azy hatrany am-boalohany fa tsy tokony hahenoina fiovana be.
Matetika, anefa, tsy tahaka izay no mitranga. Mifanalavitra be ny feo. Feo sahaza ny kalon’ ny fahiny, manjary feo nato­kana ho an’ny RNB, sns. Ny fandrindrana, miova tanteraka, satria, maro ny zavamaneno azo ampiasaina amin’izao vanim-potoana izao. Ampa­hany ihany ireo.
Anisan’ny lesoka lehibe nahatonga ny tranga tahaka izany ny tsy fisian’ny tahiry eo amin’ny Malagasy.
Marihina fa manana hasina lehibe ny hira ho an’ny Mala­gasy. Tsy fahafinaretan’ny so­fina fotsiny ny azy fa fanabeazana sy fitaizana. Anatra sy fahaiza-miaina… Noho izany, misy ampahany rava amin’ireny raha ahenoina fiovana lehibe ataon’ireo mamerina. Antony iray tsy mampateza ny hira ankehitriny io tsy fahitana ny fisongadinan’ny aingam-panahy miteraka ny hasina goa­vana be io. Eo ihany koa ny fiheverana fa ny fampiasana ny hairaha ankehitriny no tena zava-dehibe amin’ny hira. « Na piano iray aza no ampiasainao, rehefa eo ny aingam-panahy, voatandrina ny soatoavina. Omen-kaja ny mpi­haino… Mamoaka ny kanto hatrany ianao », hoy i R. Lala, mpampianatra mozika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: