Anisan’ny endrika iray mampiavaka ny jazz ny fanaovana sy fahaizana ny « improvisation ». Ho an’ity « Jazz@Tohatohabato » andiany faha-14 ity, omena lanja izy io. Efa nisy ny fiofanana notanterahina ny alatsinainy 4 aogositra teo. Hitohy, anio, manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Iarivo Art & Music Academy eny Ampandrana izany. I Valentin Edelmann hatrany no hizara ny traikefany.
Ny sabotsy 9 aogositra, manomboka amin’ny 6 ora hariva, hotanterahina eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina, ny Jazz Street. Na ilay seho manana endrika fifanakalozana eo amin’ireo mpitia jazz. Afaka mitendry eny an-toerana ireo te hampivelatra sy hizara ny talentany.
Ho an’ny fandaharam-potoana, omaly. Nahasarika mpijery maro ny « Jazz kids » notanterahina tao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Fotoana nahitana taratra fa manana antoka tsara ny hoavin’ny jazz eto Madagasikara. Tao ireo ankizy niara-nitendry tamin’ny tanora. Nifanakalo sy nifameno ny traikefa teny ambony sehatra, ka namoaka feon-kira mirindra.
HaRy Razafindrakoto




